Zanatanin' i Fort-Dauphin

Avy amin'i Wikipedia
I Fort-Dauphin (na Tolagnaro) tamin' ny taona 1900

Ny Zanatanin' i Fort-Dauphin dia zanatany naorin' i Frantsay tamin' ny taona 1643 teo amin' ny tendrony atsimon' i Madagasikara ao amin' ny toerana misy an' i Tolagnaro ankehitriny, izay mbola misy miantso hoe Fort-Dauphin.

Notantanan' ny mpitady tany vaovao toa an' i Jacques Pronis sy i Étienne de Flacourt ny Zanatanin' i Fort-Dauphin izay toerana niaingan' ny fizahana tany vavao nataon' ny Frantsay tao amin' io faritra io izy io ary ao indrindra no niandohan' ny fakana tany nataon' ny Frantsay ho fananana tamin' ny anaran' ny mpanjakan' i Frantsa, anisan' izany ny nosy La Réunion ankehitriny, izay nomen' izy ireo anarana hoe "île Bourbon".

Ny Zanatanin' i Fort-Dauphin dia nahitana disadisa anatiny maro noho ny voanjo toa an' i Antoine Couillard, izay niray tsikombakomba tamin' ny teratany. Niafara amin' ny vonoana olona tsy nampoizina nataon' ireto farany ny zava-nitranga, dia ny fandringanana tao Fort-Dauphin, tamin' ny 27 Aogositra 1674. Niala avy ao ary nipetraka tao amin' ny nosy Bourbon (nosy La Réunion ankehitriny) ireo izay tafavoaka velona ary izany dia ifandraisana anjara amin' ny fahatongavan' ny mponina tao amin' io nosy io, izay mbola tena voafetra tamin' izany fotoana izany.

Tamin' ny taona 1768 ka hatramin' ny 1771 dia nisy fikasana hamerenana an' ilay zanatany saingy tsy nahomby izany rehefa afaka telo taona ary nilaozan' ny Frantsay ilay zanatany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]