Wikipedia:Takelaka/8 2010

Avy amin'i Wikipedia

Ny Frantsa na République Française (amin'ny fiteny malagasy : Repoblika Frantsay) dia firenena mpikambana amin'ny vondrona eoropeana. Any Eoropa andrefana ny misy azy. Manana zanatany (Territoire sy département d'outre-mer) maromaro ny lafrantsa, ny ngeza indrindra amin'izy ireo dia ny Guyane Française.

Ny renivohiny, Paris, dia anisan'ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan'ny torista mandeha any isan-taona. Manam-pivelarana 675 417 km2 ny lafrantsa raha kaontiana ny fivelaran'ny zanatany. Ny isa-mponiny dia nikaonty 65,1 tapitrisa tamin'ny 1 Janoary 2009.

Ny fiteny frantsay ny tenim-pirenenan'i Frantsa. Kanefa ny fiteny hafa tenenina any frantsa dia miisa dimy ambin'ny folo raha kaontiana ny fiteny tenanin'ny vahiny. Any frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian'i Repoblika Demokratikan'i Kongo.

Ny fiangonana any Frantsa dia fiangonana katôlika, 51-64 isan-jaton'ny frantsay no vita batemy. Fa milaza agnôstika ny 32 isan-jaton'ny frantsay, ary mitovy isa ny isan'ny tsy mpino.

Ny andriky ny toe-karenan'i lafrantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan'ny firenena teo aorian'ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin'ny ekonomiany. Fa tamin'ny 1980, nisy reforma be dia be natao mba hanao privatisatio ny orinasa pioblika (publique). Tamin'ny 2008, lafrantsa ny tanjaka faha dimy eo an-tany, eo aorian'ny Etazonia, ny Japana, ny Sina sy ny Alemaina.