Wikipedia:Takelaka/12 2020

Avy amin'i Wikipedia
Sainam-pirenen'i Roanda

I Roanda na Repoblikan'i Roanda dia firenena ao amin'ny faritra atsinanan'i Afrika, ao amin’ny ivon’ny faritry ny Farihy Lehibe. I Kigali no renivohiny. Manana velarana mirefy 26 338 km² i Roanda. Ireto ny manodidina azy mivatata: i Oganda no ao avarany, i Tanzania sy i Borondy no ao atsimony, ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô sy ny farihy Kivu no ao andrefany, ary i Kenia no ao atsinanany.

Atao hoe Rwanda na Republic of Rwanda izy amin'ny teny anglisy fa Rwanda na Republique de Rwanda koa amin'ny teny frantsay. Atao hoe Repubulika y'u Rwanda izy amin’ny teny kiniaroanda, Republic of Rwanda amin’ny teny anglisy ary Jamhuri ya Rwanda amin’ny teny soahily.

I Roanda no misy mponina makitroka indrindra eran’i Afrika (483 mp/km²) noho ny isan’ny mponiny mahatratra 12 712 431 tamin’ny taona 2020. Tao Roanda no nahitana ady an-trano nahafaty olona an-tapitrisany maro, dia ny Totsy sy ny Hoto. Ankehitriny dia i Roanda no isan’ny firenana azo lazaina fa mandroso indrindra aty Afrika. (tohiny...)