Wikipedia:Takelaka/12 2011

Avy amin'i Wikipedia

Ny anaram-pirenena « India » dia avy any amin'ny fiteny Persana Sindhu, anarana persana amin'ny fiteny Sanskrity, ny renirano Indus. Ny anarana ofisialy ofisialy dia mampiasa ny teny Bharat (mpanjaka hindoa niaina tamin'ny taona taloha). Ny anarany faha telo : Hindustan ("tan'ny hindoa" amin'ny fiteny persana), dia niasa tamin'ny taona ny Empira Môgôly, ilay teny Hindustan dia tsy ofisialy intsony ankehitriny fa ampiasaina matetika rehefa manonona ny India.

Ny India ny firenena be olona indrindra eo aorian'i Sina. Misy teny ofisialy roapolo mahery fantatry ny lalam-panorenan'ny India. Ny tenim-pirenena dia ny fiteny hindi.

Mivelatra 7 arivo kilometatra ny amorontsirak' India. Mizara sisintany amin'i Pakistana izy any andrefana, miaraka amin'i Sina, ny Nepaly, ny Bhutan izy any avaratra. Ny Bangladesa sy ny Myanmara any atsinanana. Eo amin'ny ranomasimbe Indianina, tsy lavitry ny repoblikan'ny Maldiva (any atsimo andrefana), ny Ceylan (any atsimo atsinanana). Mizara sisintany miaraka amin'ny Afganistana koa ny India any Avaratra atsinanany.

Teo amin'ny tan'i India no misy ny haifomba antitra indrindra eo an-tany. Misy finoana teraka teo amin'io kontinenta io, toy ny Bodisma, ny Jainisma, ny Hindoisma sy ny Sikisma.

Mandritry ny taonjato roa, ny India dia zanatany anglisy ; izy ny zanatany ngeza indrindra an'ny Britanika. Nahazo ny fahaleovantenany ny India tamin'ny 1947. Tamin'io fotoana io, misy ny comptoir frantsay sy portogezy teo India, naverina ho an'ny India ireo comptoir ireo teo aorian'ny fahaleovantena.

Nihanivoatra be India tamin'ny dimy ambin'ny folo taona farany teo, indrindra tamin'ny fanombohana ny fiovana demografika nisyhatry ny 1991. Tamin'ny 22 Janoary 2007, niverina avy tany amin'ny habakabaka ny kapsily indianina tsy misy olona afaka 12 andro, nametraka marika siantifika sy ara-teknika be ho an' India. Hatry ny taona 2008 anisan'ny hery ara-piharian-karena lehibe eto an-tany ny India akaikin'i Sina, ny Rosia ary ny Brezily, India no hery ara-piharian-karena fahavalo eto an-tany. (tohiny...)