Wikipedia:Takelaka/*/MediaWiki

Avy amin'i Wikipedia

MediaWiki dia rindrankajy wiki iray manana ny lisansy GNU General Public License na GPL. Nosoratana tamin'ny PHP ary mitaky banky angona MySQL. Tany am-boalohany dia ho an'i Wikipedia, raki-pahalalana malalaka mampiasa wiki, no namoronana azy, fa ankehitriny kosa dia efa fitaovana fanta-daza sy be mpampiasa, iray amin'ireo ankafizin'ny mpampiasa wiki indrindra. Ankehitriny ohatra, dia ny tetikasa rehetra an'ny Wikimedia Foundation, ny wikis rehetra ao amin'i Wikia, ary wiki ngeza maro no mampiasa azy.[1] Fantatra koa fa misy orinasa mampiasa azy hizarana fampahalalana anatiny na ataony CMS. Iray hosinganina amin'ireny i Novell.

Maro ny zavatra vitan'i MediaWiki, ary afaka tovanana ihany koa izany fitaovana miaraka aminy izany. Noho ny lanja lehibe ananan'ny fampiasana tenim-pirenena maro amin'ireo tetikasa Wikimedia dia niitatra tany amin'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa io lanjan'ny fahafahana mampiasa tenim-pirenena maro io. Ireo teny sy fanazavana ifandraisan'ny mpitsidika sy ny solosaina dia voadika ampahany na manontolo amin'ny tenim-pirenena mihoatra ny 70, ary mbola afaka ovain'ny mpitantana ny sehatra izany avy eo na hatsarainy (eo anivon'ny wiki ihany no anaovany izany fanovàna izany). Ary satria koa iray amin'ireo sehatra ngeza indrindra eran-tany i Wikipedia, dia lahasa iray ho an'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa ny momba ny cache sy replication amin'ny banky angona. (tohiny...)

  1. "mutante". "Lisitry ny wikis araka ny habeny - Antontanisa S23". Retrieved 2006-06-29. {{cite web}}: Check |authorlink= value (help); External link in |authorlink= (help)