Wiki

Avy amin'i Wikipedia

Ny wiki dia fitaovana ahafahana mandavorary votoatin'ny sehatra iray amin'ny tranonkala ka ahafahan'ny mpitsidika rehetra nomena alàlana hanova ny votoatin'ny pejy ao anatiny. Manamora ny fiaraha-manoratra lahatsoratra ny wiki, koa rehefa olona maromaro no miara-mamolavola lahatsoratra iray dia tena ahitana tombontsoa ny mampiasa wiki. I Ward Cunningham no namorona ny wiki voalohany tamin'ny taona 1995, tamin'ny ampahan'ny sehatra iray miresaka momba ny programmation informatika, ary WikiWikiWeb no anarana nomeny an'izany. Avy amin'ny teny hawaianina hoe wiki wiki, izay midika hoe « maikamaika » na « informel » no nahazoana ny teny hoe « wiki ». Ampy fahamatorana ny wiki taty amin'ny taona 2000 ary efa nifandray tamin'ny Web 2.0 ihany koa. Ny raki-pahalalana Wikipedia izay niforona ny taona 2001 no nanjary sehatra wiki be mpitsidika indrindra eran-tany.

Takelaby Wiki Wiki ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Honolulu

Fiasany ara-teknika[hanova | hanova ny fango]

Ny mampiavaka ny wiki amin'ny fitaovana fitantanana votoatin-tsehatra hafa dia mitovy ny fahafahan'ny olona tsirairay manana alàlana amin'izany hanova ny votoatin'ny pejy, ary tsy voafetra ny fanovàna ataony amin'izany kanefa tsy miteraka lesoka eo amin'ny sehatra amin'ny ankapobeny : afaka manitsy tsipelina iray diso na faingo tokana monja izy nefa koa afaka mamafa ny votoatin'ny pejy iray manontolo. Ao anatin'ny wiki dia namoraina ny famoronana pejy sy ny fanaovana rohy. Ny lasitra itoeran'ny votoatin'ny pejy izay misy ny fampahalalana ankapobeny sy mombamomba ny sehatra ihany no tsy afaka ovaina.

Fanovàna[hanova | hanova ny fango]

Ny mpivoivoy tranonkala mahazatra (navigateur) ihany no fitaovana ampiasaina hijerena sy hanovana ny lahatsoratra. Misy endrika roa no ahafahana mahita ny pejy : mijery fotsiny na ny fahafahana manova ny votoatiny. Amin'ny fanovàna ny pejy, dia miseho ao anaty fisy (formulaire) ny lahatsoratra. Miampy tetika fanoratra (syntaxe) vitsivitsy izany, izay antsoina koa hoe wikitext, ahafahana mamboatra ny endriky ny lahatsoratra, manisy rohy, manampy sary. Raha oharina amin'ny fango HTML dia mora ianarana kokoa io fomba iray io.

Misy koa anefa wiki vitsivitsy izay mampiasa interface WYSIWYG fa tsy wikitext.

Fitantanana ny fanovàna[hanova | hanova ny fango]

Tehirizin'ny wiki ny mombamomba ny fanovàna rehetra (ny votoatin'ny lahatsoratra, ny daty nanovàna azy, ny olona nanova azy). Azo atao araka izany ny manaraka ny fivoaran'ny pejy anankiray, na ny manafoana fanovana anankiray ka mamerina ny lahatsoratra amin'ny endriny teo aloha. Azo arahi-maso ihany koa ny fandraisan'anjaran'ny mpitsidika. Farany dia aza atao koa ny manaraka indray mijery sy amin'ny fotoana rehetra ny fiainan'ny sehatra iray manontolo. Ireo fampahalalana rehetra ireo dia tehirizina ao anaty banky angona avokoa amin'ny ankapobeny.

Tsy ny pejy rehetra kosa anefa mazava ho azy ny azo ovaina, ary anisan'ny tsy azo ovaina ny pejy ahitana ireo fanaraha-maso ireo. Misy koa pejy hafa natokana ho an'ny mpitantana ihany, ka tsy afaka ovàna, toy ny pejy handinihana ny rohy, ny pejy mampifandray amin'ny système (fidirana, mombamomba ny mpitsidika, fanovàana anarana pejy, fandefasana rakitra).

Famantarana ny mpitsidika[hanova | hanova ny fango]

Tsy voatery hoe afaka ovain'ny daholobe daholo akory ny wiki rehetra ; indraindray mety hotakiany ny fisoratana anaran'ny mpitsidika. Ary ho an'ny wiki misokatra ho an'ny daholobe aza dia misy teknika ampiasaina hiadiana amin'ny fanovana tsy irina.

Rehefa avelan'ny wiki iray manova ny votoatin'ny pejy ao anatiny ny mpikambana tsy misoratra anarana, dia ny adiresy IP-n'ilay mpitsidika no amantarany azy. Na izany na tsy izany dia azo atao ny manokatra kaonty sy miditra amin'ny alàlan'ny solonanarana sy tenimiafina.

Fiasany ho an'ny olombelona[hanova | hanova ny fango]

Ny wiki iray misokatra ho an'ny daholobe dia karakarain'ny fiaraha-moni-mpitsidika na fikambanan'ny mpampiasa azy mandavanandro, ary manatratra tanjona tokana ireo olona ireo. Raha vao misy fampahalalana miova, dia avy manara-maso an'izay ny mpandray anjara mavitrika liana amin'ny pejy novaina, ary manitsy ny diso na manampy fampahalalàna raha ilaina. Araka izany, vetivety ihany dia hita sy voafafa ny fisomparana maro izay mety hisy hanao. Ankoatra an'izay dia misy antanantohatra ihany koa ny fahefana ananan'ny mpitsidika. Misy mpitsidika sasany manam-pahefana hamafa na hanidy pejy iray mba tsy ho azo ovaina intsony, na koa manakana ireo mpikambana tsy mitondra soa ho an'ny tetikasa. Amin'ny ankapobeny dia mora sy vetivety kokoa ny manafoana ny fisomparana anankiray noho ny herim-po sy fotoana lany nanaovana azy.

Ny fahombiazan'i Wikipedia dia maneho fa ny fiaraha-miasan'ny olona maromaro resy lahatra amin'ny tanjona iray dia ampy hahavitana sehatra wiki iray lehibe, tsara kalitao ary be mpitsidika. Nefa ireo sehatra wiki misokatra ho an'ny daholobe fa tsy ampy fanaraha-maso kosa dia vetivety dia lasibatry ny fisomparana sy ny spam.

Bibliographie[hanova | hanova ny fango]

  • Jérôme Delacroix, Les wikis. Espaces de l'intelligence collective, M2 Editions, Paris, 2005

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Endrika:Wiktionnaire

Wikis maro samihafa[hanova | hanova ny fango]

Wiki amin'ny teny malagasy sy momba an'i Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Ny nahazoana ity lisitra ity dia nokarohina tamin'ny fitaovana fikarohana sehatra izay sehatra ahitana ny teny hoe wiki, malagasy sy amin'izany

teny sehatra rindrankajy wiki
Wikipedia MediaWiki
Tetikasa fanorona (Torolàlana amin'ny famolavolana rindrankajin' ilay lalaon-tsaina malagasy malaza atao hoe fanorona) Wikini
Wiki infogasy Archived Desambra 2, 2020 at the Wayback Machine: Sehatra wiki ahitana lahatsoratra sy dikan-teny momba ny informatika DokuWiki
openformats.org Archived Jolay 16, 2006 at the Wayback Machine Famporisihina ny fampiasàna format malalaka WikkaWiki
wiki.serasera.org Archived Martsa 6, 2016 at the Wayback Machine: Wikianja, wiki ho ampiasain'ny mpikambana ao amin'ny serasera.org MediaWiki
hatsiklo.pedia.ws : Uncyclopedia amin'ny teny malagasy. MediaWiki

Rakibolana Wiki[hanova | hanova ny fango]

Rakipahalalana wiki[hanova | hanova ny fango]

Annuaires wiki[hanova | hanova ny fango]

  • WikiIndex -- wiki-n'ny wiki. Tarihin'i Mark Dilley, tetikasa iray hamoronana annuaire-n'ny wiki eran-tany, sokajiana araka ny toetra maro (tenim-pirenena, karazana, votoatiny, ...).
  • Wikia
  • Web-Québec Archived Febroary 24, 2006 at the Wayback Machine (répertoire Web malalaka)

sehatra wiki hafa[hanova | hanova ny fango]

Rindrankajy wiki (na motera wiki)[hanova | hanova ny fango]

Araka ny anarany, ny rindrankajy wiki dia rindrankajy ahafahana manao sehatra amin'ny tranonkala mifototra amin'ny wiki.

Lahatsoratra ahitana antsipirihany : rindrankajy Wiki.

Fiaraha-monin'ny mpampiasa wiki[hanova | hanova ny fango]

Sehatra ahitana fampahalalana momba ny wiki[hanova | hanova ny fango]

  • leswikis.com Sehatra wiki iray ahitana fampahalalana momba ny wiki
  • PointWiki -- blaogy miteny frantsay ifarimbonana natokana ho an'ny vaovao momba ny wiki

Sehatra anglisy[hanova | hanova ny fango]