Rindrankajy wiki
Ny Rindrankajy wiki dia rindrankajy voasokajy ao amin’ny sistema fitantanana votoatiny afahana manamboatra wiki, sehatra an-tranonkala azo tsidihina sy ovaina avy amin’ny alalan’ny rindrankajy fitsidihana pejy.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]I Ward Cunningham no namorona ny rindrankajy wiki voalohany tamin'ny 1995 ho an’ny fanamboarana sehatra wiki voalohany : ny PortlandPatternRepository.
Ny fahombiazan'io kaonsepta io dia tian’ny olona maro. Nisy sehatra wiki nipotra teo aorian'io. Misy rindrankajy wiki hafa naka, nandika, nanova, nanamora na nanatsara ny zavatra afaka ataon'ny rindrakajy noforonin’i Ward Cunningham.
Tamin'ny 2003, fantatra fa misy rindrankajy wiki mahery ny zato. Ny lisitra feno amin’izao fotoana izao dia milaza fa misy telonjato mahery. Ny zavatra azo ataony sy ny fomba nanaovana azy no mahasamihafa ireo wiki ireo.
Ny rindrankajy voalohany dia natao mba hanao aza tsotsotra ary nihabetsaka hatrany ny asa afaka ataony. Nitranga tsikelikely ny rindrankajy tsara endrika sady mora ampiasaina.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Miteny anglisy
[hanova | hanova ny fango]- Ny wiki voalohany
- Fampitahana rindrankajy wiki
- Fampitahana rindrankajy wiki Archived Janoary 15, 2018 at the Wayback Machine (Lahatsoratra, Novambra 2004)
- Fampitahana ny wikifarms any amin'ny Wikiversite anglisy Archived Febroary 18, 2010 at the Wayback Machine
- Ahoana no misafidy wiki Cunningham & Cunningham, Inc
- Lisitra ny rindrankajy wiki Cunningham & Cunningham, Inc
- Fitaovana tsy andoavam-bola mba hanandrana ny fiarovana eo amina wiki auto-hebergé tsotra Archived Febroary 7, 2010 at the Wayback Machine — Meta