Voaroihazo

Avy amin'i Wikipedia
Voaroihazo na hazondandy (Morus alba)

Ny voaroihazo na hazondandy dia zavamaniry, ao amin' ny karazan-javamaniry Morus alba L. (Moraceae) izy ireo. Avy any Sina ny voaroihazo vao niely eran' i Eorôpa, volena hohanin' ny landy (Bombix mori) ny raviny.

Ny voaroihazo eto Madagasikara[hanova | hanova ny fango]

Ny voaroihazo dia zavamaniry vahiny nampidirina teto Madagasikara tamin' ny taonjato faha-18 sady volena hohanin' ny landy (Bombix mori). Maro karazana ny voaroihazo eto Madagasikara, ka ao ireo kely ravina (Morus alba var. indica na Morus indica rumphius) izay mety misy voany fotsy na mainty, ary ny karazany misy raviny lehibe, nampidirina taty aoriana kokoa (Morus alba var. latifolia na Morus milricaulis).

Voaroihazo

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]