Voaroy

Avy amin'i Wikipedia
Voarohitsaka (Rubus rosifolius)

Ny voaroy dia zavamaniry misy tsilo isan-karazany fa tsy tokana, izay samy misy voany kely menamena, ka ny ankamaroany dia ao amin' ny karazana Rubus (ao amin' ny fianakavian-javamaniry Rosaceae). Ao Ireto avy izy ireo: ny voaroibe (Hibiscus diversifolius), ny voaroihazo na hazondandy (Morus alba), ny voarohitsaka na voaroitanala (Rubus rosifolius), ny voaroimainty (Rubus apetalus, Rubus myrianthus, Rubus pauciflorus), ny voaroimbazaha na voaroimena na voarointsaka (Rubis rosoe folius) ary ny voarointsilo (Rubus pauciflorus).

Voaroihazo na hazondandy (Morus alba)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]