Vatofantsika

Avy amin'i Wikipedia
Vatofantsika

Ny vatofantsika na nanga na andrisa dia fitaovana, vita amin' ny metaly na zavatra mavesatra hafa, alatsaka any amin' ny fanambanin' ny rano (renirano, ranomasina, sns) be vato na fasika na fotaka mba hitazonana ny sambo mitsingevana amin' ny toerany tsy ho entin' ny rivotra na ny onjan-drano na ny korian-dranomasina. Mifandray amin' ny sambo amin' ny alalan' ny tady na tariby na rojo ny vatofantsika. Nihazona ny sambo noho ny lanjany lehibe sy ny fikasokasohany amin' ny fanambanin' ny rano misy azy ny vatofantsika fahiny. Misy koa ny manamboatra nanga amin' ny vato.

Ny firafitry ny vatofantsika ankehitriny no mahatonga azy ireo hilentika any amin' ny fanambanin 'ny ranomasina sy hifikitra mafy ao ka mihazona ny sambo tsy hivezivezy. Ny vatofantsika mahazatra dia misy tahony ahitana tendro miendrika paratra azo amatorana tady na tariby na rojo, sady misy misampana ho tanany roa miolika, ary miafara amin' ny tendro maranitra eo amin' ny vodiny izay ahafahany mitsofoka any amin' ny fanambanin' ny rano. Ny vatofantsika amin' izao fotoana izao dia matetika vita amin' ny tsỳ ary mety milanja taonina maro. Matetika ny sambo lehibe no mitondra vatofantsika mavesatra maro.