United Pentecostal Church International

Avy amin'i Wikipedia

Ny United Pentecostal Church International (UPCI) dia antokom-pinoana pentekôtista onitariana izay manana foibe any Saint Louis any Etazonia, niforona tamin' ny taona 1945 tamin' ny alalan' ny fitambanan' ny Pentecostal Church, Inc. sy ny Pentecostal Assemblies of Jesus Christ teo aloha.

Ny United Pentecostal Church International dia nanomboka tamin' ny fiangonana 521 ary nitombo ho fiangonana maherin' ny 43 000 (anisan' izany ny asan' ny lahasa zanany sy ny toeram-pitorian-teny), ny mpanao raharaha miisa 43 000, ary ny fitambaran' ny mpino maherin' ny 5,6 tapitrisa maneran-tany. Ny fikambanam-pirahalahiana iraisam-pirenenan' ny Pentekôtista Miray dia ahitana fikambanana nasiônaly izay mivondrona ho Filankevitra Maneran-Tanin' ny UPCI, izay tarihin' ny mpitantana jeneralin' ny UPCI, David K. Bernard amin' izao fotoana izao.

Amin' ny maha pentekôtista onitariana azy dia laviny ny Trinite. Anisan' ity antokom-pinoana ity ny Fiangonana Pentekôtista Mitambatra eto Madagaskara.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]