Hankany amin'ny vontoatiny

Tsiomeko

Avy amin'i Wikipedia
Tsiomeko
Ankapobeny
AnaranaTsiomeko
Teraka1828
ToeranaBoina
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpnjakavavy sakalava
Fiainana manokana

I Tsiomeko dia mpanjakavavy sakalava nitondra ny Fanjakan' i Boina teo anelanelan' ny taona 1836 sy 1839/1840[1]. Izy no mpanjaka farany tao amin' io fanjakana io talohan' ny fanjanahantany frantsay. Teraka tamin' ny taona 1828 izy ary maty tamin' ny taona 1843. Tamin' ny taona 1840 dia rava io fanjankana io noho ny fampidiran' ny Merina azy tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

I Tsiomeko dia zanakavavin' i Taratra ary zafikelin' ny mpanjaka Andriantsoly, izay noroahin' ny tafika merina tao Boina. Teraka tamin'ny taona 1828 izy, ary maty teo am-piterahana tamin' ny taona 1843[2]. Efa-taona fotsiny no nanjakany tao amin' ny Fanjakan' i Boina, teo anelanelan' ny taona 1836 sy 1839/1840[1]

Ny fanjakany

[hanova | hanova ny fango]

I Tsiomeko día lasa mpanjakavavy tamin’ ny 5 aprily 1836[2] teo amin' ny faha valo taonany. Izy no nandimby ny mpanjakavavy Oantitsy, anabavin' ny mpanjaka Andriantsoly[3]. Tamin' ny taona 1837 dia noroahin’ ny Merina hiala ny trano fonenany tao Ambataokony izy ary nandositra nankany Nosy Komba. Nitsahatra ny maha mpanjakavavy an' i Tsiomeko rehefa nampidirina tao amin' ny Fanjakana Merina ny fanjakany tamin' ny taona 1840. Nanenjika azy ihany ny Fanjakana Merina ka nila fiarovana tamin' i Seyid Saïd, soltanan' i Zanzibar izy, rehefa tsy nahafa-po azy izany dia nitodika tamin' ny amiral Hell, avy amin' ny tafika frantsay izy ka nangataka fiarovana tamin' ny Frantsay, ka tamin' ny taona 1940[2] dia nanao sonia fifanarahana tamin' ny mpanjakavavy ny amiraly de Hell mba hahatonga an' i Boina ho prôtektôrata frantsay [4]. Maty teo am-piterahana tamin' ny taona 1843 izy[2].

Lisitry ny mpanjakan' i Boina

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1 2 G. Grandidier et R. Decary. Guillaume Grandidier, Histoire politique et coloniale: Histoire des populations autres que les Merina. f. 1. Betsileo, Betsimisaraka, Antanosy, Sihanaka, Tsimihety, Bezanozano, Antanala, Antankarana, Bara, Mahafaly, Antandroy, Impr. officielle, 1958
  2. 1 2 3 4 "Des cessions à la France pour bloquer l'expansion hova", lexpress.mg
  3. ↑ "Les reines oubliées de l’histoire malgache", midi-madagasikara.mg
  4. ↑ "Nosy-Be (l’Île de Nosy-Be)", www.madagascar-destination.mg