Aller au contenu

Trandraka

Avy amin'i Wikipedia
Trandraka (Tenrec ecaudatus)

Ny trandraka na tandraka dia biby mampinono madinika monina any anaty ala, mitovitovy amin' ny voalavo, lavalava mitsokotsoko ny vavany, fa saingy mahery sy maranitra ny volony, ary tsy biby mpanimba voly toy ny voalavo, milevilana any anaty tany izy rehefa maina ny andro, mivoaka izy amin' ny lohataona fotoan' ny orana. Ny anarany ara-tsiansa dia Tenrec ecaudatus. Ao amin' ny fianakaviana Tenrecidae izy ary hany karazana tokana amin' ny vondron-karazana Tenrec.

Teratany eto Madagasikara ny trandraka nefa hita any amin' ny nosy Kômôro sy Maorisy sy La Réunion ary Seisely koa izy io, izay efa niniana nampidirina. Ny fonenany voajanahary dia ny ambanin' ny ala amin' ny faritra ambanin' ny zana-pehintany, ny ala misokatra, ny tany misy kirihitra maina, ny hivoka, ny kijana, ny tany azo volena sy misy fambolena, zaridaina manan-tompo manokana, ary ny faritra sasany an-tanàn-dehibe.

Ny trandraka no karazana lehibe indrindra amin' ny fianakaviana Tenrecidae. 26 ka hatramin' ny 39 sm ny halavany ary mahatratra 2 kilao ny lanjany. Manana volony tsy dia lava, volondavenona ka hatramin' ny volondavenona manopy mena ary volo maranitra lava eo amin' ny vatany. Ity biby ity dia tsy mifidy zavatra hohanina ary, tsy toy ny biby mpikiky mpihinana zava-maniry izay afangaro aminy matetika, dia manana nify maranitra kely toy ny fanjaitra ho an' ny fihinanana ny biby tsy manana hazon-damosina lehibe kokoa, ny sahona, ny biby mandady na mikisaka, ny totozy ary ny biby mampinono kely hafa, ary koa ny voankazo, ny ravina ary ny zavamaniry hafa. Ny kankana trongisiny amin' ny vavany no matetika fihinany.

Fianakaviana trandraka misy zanany sivy farafahakeliny

Raha ampitahorina ny trandraka dia mihikiakiaka, manangana ny volony maranitra, mitsambikina, ary manaikitra. Mialokaloka ao anaty akany vita amin' ny bozaka sy ravina ambany vatolampy, hazo na kirihitra amin' ny andro. Miteraka zanany miisa 32 eo ho eo izy io, ka ny salanisa dia eo anelanelan' ny 15 sy 20 aorian' ny fitondrana vohoka 50 hatramin' ny 60 andro; raha mbola kely izy ireo dia manana bika misoritsoritra mainty sy fotsy. Manana rambo fohy 1 hatramin' ny 1,5 sm izy.

Faritra misy trandraka

Ny trandraka no biby mampinono trôpikaly voalohany voamarika fa milevina matory amin' ny ririnina, mandritra ny fotoana maharitra tsy mifoha, hatramin' ny sivy volana isan-taona. Milevina indray mandeha isan-taona izy rehefa tapitra ny vanim-potoan' ny orana ary tsy mivoaka raha tsy efa madiva ho tonga indray ny orana. Ny trandraka dia misy katsentsitra Promoniliformis ovocristatus, izay anisan' ny katsentsitra kankana an-tsinay Acanthocephala. Fihinana izy io saingy maro amin' ny Malagasy no fady azy.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao fy ny voalavo, fy ny trandraka.
  • Tsy mety raha mankafy ny voalavo noho ny trandraka.
  • Fitiavako trandraka tsy hibabiako amboa.
  • Na hilevin-ko trandraka aza, na hanidin-ko vorona aza, aiza no tsy hahitako anao.
  • Nokekerin' ny sokina aho, nigigigigy; nokekerin' ny trandraka aho, nidradradradra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]