Hankany amin'ny vontoatiny

Torapasika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tora-pasika)
Torapasika fialamboly any Fort Lauderdale, Florida

Ny torapasika dia endriky ny tanety mivelatra manamorona toerana misy rano voajanahary, tsy misolampy loatra sy mitohy any ambanin' ny rano, izay foronina poti-javatra misaratsaraka avy amin' ny vato, toy ny fasika, ny poti-bato, ny vatokely, sns. na avy amin' ny zavamananaina toy ny akorandriaka na lomotra an-dranomasina be sokay.

Na dia misy torapasika miforona aza ny any amin' ny toerana misy ranomamy an-tanety toy ny farihy sy ny renirano na ny ony, ny ankamaroan' ny torapasika dia any amin' ny faritra amorontsiraka izay misy onjan-drano na hetsiky ny rian-drano. Mitranga ny fiovana sy ny fikaokan' ny tora-pasika vokatry ny hetsiky ny onjan-drano sy ny toetrandro mahery vaika. Raha marina ny toetry ny rivotra, ny torapasika dia azon' ny dongom-pasika tohanana, izay miaro sy manavao ny torapasika. Na izany aza, ireo hery voajanahary ireo dia manjary tafahoatra noho ny fiovan' ny toetany, izay manova tanteraka ny torapasika amin' ny fomba haingana. Ny tombantombana sasany dia milaza fa ny 50 % amin' ny torapasika be fasika eto an-tany dia hanjavona amin' ny taona 2100 noho ny fiakaran' ny ranomasina vokatry ny fiovan' ny toetany.

Manodidina ny ampahatelon' ny morontsiraka maneran-tany ny torapasika be fasika. Ireo torapasika ireo dia malaza ho toeram-pialam-boly, mitana anjara toerana lehibe ara-toekarena sy ara-kolontsaina, matetika mitondra ny indostrian' ny fizahàn-tany eo an-toerana. Mba hanohanana ireo fampiasana azy ireo, ny torapasika sasany dia misy fotodrafitrasa namboarin' olombelona, ​​toy ny tobin' ny mpiambina, ny efitra fisoloana akanjo, ny toerana fandroana, ny tranoheva ary ny trano fisotroana. Mety hisy toerana fandraisam-bahiny koa izy ireo (toy ny toeram-pialan-tsasatra, toby, trano fandraisam-bahiny, ary trano fisakafoanana) eo akaiky na trano fonenana, ho an' ny olona mitoetra maharitra na manadalo vetivety.