Toetanin' i Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Toetanin' i Madagasikara ankehitriny

Ny toetanin' i Madagasikara dia mizara dimy:

  1. Ny toetany be orana any atsinanana (amorontsiraka atsinanana).
  2. Ny toetany avo toerana, eo ampivoan' i Madagasikara [1]
  3. Ny toetany maina somary mafana (Antsiranana)
  4. Ny toetany maina (Toliara)

Trôpikaly ny toetany amin' ny morontsiraka, toetanim-pehibe izy any atsinanana, trôpikaly maina izy any amin' ny morontsiraka andrefana sy atsimo, ary trôpikaly mangatsiaka izy any ampivoany. Ny tohi-drivodoza any amin' ny Ranomasimbe Indianina no mampisy ny Alizay any atsimo-atsinanana, mikisaka araky ny fizaran-taona io Alizay io.

Manana fizaran-taona roa i Madagasikara: misy ririnina (maina) amin' ny volana Mey hatramin' ny volana Oktobra, sy fahavaratra (mando) amin' ny volana Novambra hatramin' ny volana Avrily. Miovaova arakaraky ny haabon-toerana ny toetrandro sy ny rivotra manjaka. Mandalo amin' ny morontsiraka atsinanana izao ohatra ny Alizay, Noho izany dia manorana matetika ny any satria mbola misy an' Andringitra mitazona ny ankabeazan' ny hamandoana. Any amin' ny morontsiraka atsinanana izao no tena be orana indrindra any Madagasikara (3 500 mm isan-taona).

Toetanin' i Madagasikara amin' ny hoavy

Mandalo matetika amin' ny fahavaratra ny rivodoza avy any amin' ny nosin' ny Maskarena. Maimaina sy mangatsiatsiaka ny tany any andrefan' Andringitra noho ny Alizay tsy tonga any. Mahatratra 1 400 mm ny orana latsaka any Antananarivo amin' ny ririnina, mety mangatsiaka be ny alina any fa tsy dia mivaingana matetika. Fa mety mivaingana ny rano rehefa miakatra any an-tendrona. Amin' ny andro ririnina, ny lanitry ny renivohitra dia anisan' ny tena mazava (amin' ny tantera-kazavana) indrindra eto an-tany. Mbola maina noho ny ampivoany ny toetrandro any andrefana satria efa nilatsaka daholo ny hamandoan' ny Alizay. 300 mm fotsiny ny tontalin' ny orana latsaka any Toliara mandritry ny taona

Ny toetany eo amin' ny faritra afovoan-tany dia mangatsiaka amin' ny andro ririnina ary matimaty na mafana rehefa andro fahavaratra amin' ny volana Desambra; ny rotsak' orana eo amin' ny faritra afovoany dia antonontonony. Ny faritra andrefana dia manana toetany maina sady mafana mandavan-taona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. Faritan'i Antananarivo, Faritan'ny alaotra, faritan'ny Fianarantsoa