Tendrombohitra Ararata (Baiboly)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tendrombohitra Ararata, araka ny voalaza ao amin' ny Bokin' ny Genesisy, no faritra nipetrahan' ny sambofiaran' i Nôa (na Nôe) taorian' ny Safodrano. Amin' ny [[fiteny hebreo]n' ny Baiboly izy dia atao hoe הָרֵי אֲרָרָט‎ / hārê ’Ǎrārāṭ, fa amin' ny teny grikan' ny Septoajinta na Septanta kosa dia atao hoe τὰ ὄρη τὰ Ἀραράτ / ta orê ta Ararat. Io anarana Ararat io dia mifanandrify amin' ny teny asiriana taloha hoe Urartu, izay anaran' ny Fanjakan' i Van (fanjakana armeniana).

Tamin' ny Andro Antenatenany, ny "tendrombohitra Ararata" dia nanomboka noheverina fa ilay tendrombohitra any Torkia ankehitriny antsoina hoe Ağrı Dağı.