Tendrombohitra Ararata

Avy amin'i Wikipedia
Tendrombohitra Ararata

Ny Tendrombohitra Ararata na Tendrombohitra Ağrı no tendrombohitra avo indrindra any Torkia (tao amin' i Armenia Andrefana taloha) izay miefy 5 137 m. Amin' ny teny tiorka izy dia atao hoe Ağrı Dağı; amin' ny teny armeniana Արարատ / Ararat; amin' ny teny kiorda Çiyayê Agirî. Antsoina hoe 'Masis' koa izy amin' ny Armeniana (Մասիս / Masis) sy amin' ny Helena (Μασίς / Masis) ary amin' ny Hebreo (מעזיז / Masis).

Ity volkano ity, izay manana tampona rakotra orampanala mandavan-taona, dia hita eo amin' ny Lembalemba Armeniana, any amin' ny ilany atsinanan' i Torkia. Ny tampona Ararata Lehibe sy Ararata Kely dia ao amin' ny faritanin' i Ağrı fa ny 35 % amin' ilay volkano kosa dia ao amin' ny faritanin' i Iğdır.

Any Eorôpa dia nantsoina tamin' ny anarana hoe Ararata ilay tendrombohitra nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany, satria nantsoina hoe tendrombohitra Ararata izy araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly izay manao azy ho ilay toerana nipetrahan' ny sambofiaran' i Nôa, na dia nisy aza ny fifandirana fa ny Genesisy 8:4 dia tsy manondro manokana tendrombohitra Ararata iray.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]