Vondro-nosy Indôneziana
(tonga teto avy amin'ny Tambanosy Indôneziana)
Ny Tamba-nosin' i Indônezia na Vondro-nosin' i Indônezia, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Nosantara (Nusantara), dia manondro na ireo nosy mandrafitra ny firenena indôneziana na ireo vondrona ara-jeôgrafia misy ny nosy rehetra ao aminy. I Indônezia no fanjakana foronim-bndro-nosy lehibe indrindra eran-tany, manomboka any Somatra any Azia ka hatrany amin' ny faritra andrefana amin' i Ginea Vaovao any Ôseania. Amin' ny teny indôneziana dia atao hoe Kepulauan Indonesia io vondro-nosy io. I Indônezia dia misy nosy 17 000 any ho any ka ny 922 amin' ireo dia misy mponina maharitra.
Ny nosy lehibe[hanova | hanova ny fango]
- Iereo nosy Sonda (indôneziana: Kepulauan Sunda)
- Nosy Sonda Lehibe (indôneziana: Kepulauan Sunda Besar)
- Nosy Sonda Kely (indôneziana: Kepulauan Nusa Tenggara)
- Bali
- Lombok
- Sumbawa
- Flores
- Sumba
- Timôro: mizara amin' i Indônezia (Timôro Andrefana) sy i Timôro Atsinanana (firenena mahaleo tena).
- Ireo nosy Maluku (Môloka)
- Ginea Vaovao: mizara eo amin' i Indônezia (ao amin' ny faritanin' i Papua Pegunungan, i Papua, Papua Selatan, i Papua Barat Daya, i Papua Tengah ary i Papua Barat) sy i Papoazia-Ginea-Vaovao (firenena mahaleo tena).