Sokota

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sokôta na Fetin' ny Tebernakely na Fetin' ny Tranolay dia fety jiosy ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian' Andriamanitra ny Zanak' i Isiraely tamin' ny nivoahany avy any Egipta, ahatsiarovana ny fivahiniana mandritra ny 40 taona tany an-tany efitra taorian' ny fivoahana avy tany Egipta, ary iravoravoana amin' ny fahataperan' ny tsingerin' ny fotoam-pambolena amin' ny taona. Ankalazaina manomboka amin' ny 15 hatramin' ny 21 na 22 Tishri ny Sukkot.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe חַג הַסֻּכּוֹת / Hag ha-Sukkot izay midika hoe "fetin' ny trano lay" na "fetin' ny tabernakely" io fety io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]