Roger Blench

Avy amin'i Wikipedia
Roger Blench

I Roger Marsh Blench dia britanika, mpahay teny sy etnômozikôlôga ary antrôpôlôga momba ny fampandrosoana. Manana M.A. sy Ph.D avy amin' ny Oniversiten' i Cambridge izy ary miorina ao Cambridge any Angletera. Manao fikarohana sy mamoaka boky ary manao asan' ny mpanolo-tsaina izy. Teraka tamin' ny 1 Aogositra 1953 izy.

I Blench dia fantatra amin' ny fahalianany sy fandraisany anjara lehibe amin' ny haiteny momba ny fiteny aty Afrika sy momba ny fiteny ao Azia Atsimo-Atsinanana, ny antrôpôlôjia, ny etnômozikôlôjia, ny etnôbôtanika, ary sehatra mifandraika amin' izany. Nanao fikarohana lehibe momba ny fianakaviam-piteny nigerô-kôngôley sy nilô-sahariana ary afrôaziatika izy, ary koa momba ny vondrom-piteny aronasaly any India. Fanampin' izany dia namoaka boky sy lahatsoratra betsaka momba ny fifandraisan' ny haiteny sy ny arkeôlôjia i Blench. I Blench amin' izao fotoana izao dia mandray anjara amin' ny tetikasa maharitra handraiketana an-tsoratra ny fiteny ao Nizerià afovoany. Naneho ny ahiahiny momba ny fiompiana biby fiompy an-tany midadasika any Nizeria ihany koa izy.

Niara-niasa tamin' ny profesora Kay Williamson, izay maty tamin' ny Janoary 2005, i Blench ary tompon' andraikitra amin' ny Fondation Educational Kay Williamson ankehitriny, izay natao hamoahana ny voka-pikarohana tsy navoakan' i Kay Williamson sy hampiroboroboana ny fandalinana ny fiteny ao Nizerià.

Nanao fikarohana sy fanombanana momba ny hetsika fampandrosoana iraisam-pirenena maneran-tany ihany koa i Blench, amin' ny maha mpanoro hevitra sy mpiara-miasa amin' ny fikarohana ao amin' ny Overseas Development Institute any London azy.