Etnôbôtanika

Avy amin'i Wikipedia

Ny etnôbôtanika dia fandalinana ny zavamaniry ao amin' ny vahoakan' ny faritra iray sy ny fampiasana izany amin' ny alalan' ny fahalalana nentim-paharazana ao amin' ny kolontsaina sy ny mponina eo amin' ny toerana iray. Fandalinana ny fifandraisan' ny olombelona sy ny zavamaniry ny etnôbôtanika. Ny sehatry ny fandalinana ny etnôbôtanika dia ahitana taranja maro isan-karazany, manomboka amin' ny fikarohana arkeôlôjika momba ny sivilizasiônan' ny Andro Taloha ka hatramin' ny biôinjenierian' ny fambolena vaovao toy ny varimbazaha. Ny fomba fiasa amin' ny etnôbôtanika dia manomboka amin' ny fahalalana empirika (amin' ny alalan' ny fanandramana) azo tamin' ny taranaka an-jatony mfandimby, izay mifototra amin' ny fandinihana faobe (fomba fisedrana sy fahadisoana) ary amin' ny ankapobeny amin' ny lovantsofina am-bava, ary voatahiry noho ny fitadidian' ny vondrona ara-piarahamonina.