Fiteny aronasaly

Avy amin'i Wikipedia
Ny Fanjakan' i Arunachal Pradesh ao India

Ny fiteny aronasaly dia tenenina ao Arunachal Pradesh (India Avaratra-Atsinanana), ary mamorona vondrom-piteny ara-petra-kevitra izay heverina ho ao amin' ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana. Na izany aza, azo atao ny mihevitra fa ny fifanahafana dia vokatry ny fifampikasohana ("Sprachbund"), ary ireo fiteny ireo dia lasa fianakaviam-piteny iray mahaleo tena sy manirery. I Roger Blench (2011) dia manolotra fiteny manirery efatra (fiteny hrosô, mijy, mijo, ary porôika) sy fianakaviam-piteny telo (fianakaviam-piteny mismika sy kamengika ary siangika), fa i Anderson (2014) kosa, ankoatra ny hafa, dia mitazona fa ao amin' ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana izy ireo. Mbola mitohy izany tsy fitovian-kevitra izany.