Etnômozikôlôjia

Avy amin'i Wikipedia

Ny etnômozikôlôjia dia ny fandalinana ifarimbonan' ny taranja maro momba ny mozika eo amin' ny tontolon' ny kolontsaina, izay manadihady ny lafiny ara-tsôsialy, ara-tsaina, ara-biôlôjia, amin' ny fampitahana ary amin' ny lafiny hafa ankoatra ny feo. Avy amin' ny teny grika hoe ἔθνος / ethnos, "vahoaka" na "foko", sy μουσική / mousikê, "mozika", ny teny hoe etnômozikôlôjia. Ny etnômozikôlôga dia mandalina ny mozika amin' ny maha taratry ny kolontsaina azy sady manadihady ny asan' ny mozika amin' ny alalan' ny fandrefesana sy fandinihana ary famakafakana isan-karazany azo avy amin' ny taranja hafa toy ny antrôpôlôjia mba hahatakarana ny mozikan' ny kolontsaina iray. Nipoitra avy amin' ny taranja fampitahana mozika, izay nifantoka tamin' ny mozika tsy tandrefana tamin' ny voalohany, ity taranja ity, saingy taty aoriana dia niitatra amin' ny fandalinana ny karazana mozika rehetra eran-tany.