Ravintoto sy henan-kisoa
Ny ravintoto dia ravi-mangahazo nototoina mba hatao laoka. Ny laingon' ny mangahazo no tena tsara sady tsy mangidy. Amin' ny fotoana fiavian' ny orana ka mampitsiry ny mangahazo no tena maha-betsaka azy. Matetika dia andrahoina miaraka amin' ny henan-kisoa na hen' omby matavy izy, na koa miaraka amin' ny voanjo, na farafaharatsiny asiana menaka fotsiny.
Ny fahandro ny ravintoto sy henan-kisoa
[hanova | hanova ny fango]Andrahoina manokana ny ravitoto eo amin' ny ora 2 eo ho eo. Asiana sira kely. Ny ravi-mangahazo laingolaingony, ilay malefaka tsara iny, no totoina. Alaina ny henan-kisoa matavitavy tsara; atao mendimendy; avy eo andrahoina elaela kely asiana sira. Afangaro amin' izay ireo dia asiana tongolobe sy voatabia, rehefa akaiky ho masaka dia asiana tongolo gasy; atao mangotraka kely fotsiny dia aroso miaraka amin' ny vary fotsy sy lasary karaoty raha misy.