Protophyta
Ny Protophyta dia vondron' ny zavamananaina bitika eokariôta tokan-tsela (prôtista) izay heverina fa misy ifandraisany amin' ny zavamaniry satria aotôtrôfa. Efa lany andro anefa ity fanasokajiana ity ankehitriny. Ity vondrona ity dia ahitana ny ahidrano sy ny holatra tokan-tsela, izay avondrona ao amine' ny Protista miaraka amin' ny Protozoa. Tsy dia ampiasaina firy io teny io ankehitriny.
Tsy heverina ho anisan' ny Plantae intsony amin' izao fotoana izao ny ahidrano (Algae) sy ny holatra (Fungi), nefa mbola ampiasaina ao amin' ny bôtanika araka ny fahazarana taloha, izay nanasokajy azy ho zavamaniry.
Miovaova be ny dikan' ny teny hoe Protophyta ao amin' ny literatiora. Nahitana ny ahidrano sy ny savoronala izay ao amin' ny Thallophyta ary ny ampanga ao amin' ny Cormophyta ny Protophyta. Tamin' ny taona 1889, i Haeckel dia nanavaka ny Protofita foronin-sela tokana sy ny Metaphyta maro sela. I Čelakovsky dia nampiasa ny teny hoe Protophyta tamin' ny taona 1897 hanondroany ny Thallophyta.
Ao amin' ny fikôlôjia (fandalinana ny momba ny ahidrano), izy ireo dia ahitana indrindraindrindra:
- ny Chlorophyceae;
- ny Chrysophyceae;
- ny Dictyochophyceae;
- ny Dinophyta;
- ny Euglenophyceae;
- ny Prymnesiophyceae;
- ny Xanthophyceae.
Fanoloana an' ilay vondrona
[hanova | hanova ny fango]Ny zavamananaina taloha antsoina hoe Protophyta dia sokajiana ho vondrona eokariôta isan-karazany ankehitriny, ny lehibe indrindra dia:
- ny Archaeplastida: vondrona lehibe ahitana:
- ny ahidrano maitso (Chlorophyta): zavamananaina manao fôtôsentezy izay mitovy razambe amin' ny zavamaniry an-tanety (Embryophyta), ohatra amin' izany ny Chlamydomonas, ny Ulva.
- ny ahidrano mena (Rhodophyta): ahidrano an-dranomasina ny ankamaroany, miavaka noho ny fisian' ny fandoko mena antsoina hoe fikôeritrinina, ohatra amin' izany ny Porphyra (ampiasaina amin' ny famokarana nori) sy ny Corallina.
- ny SAR (Stramenopila, Alveolata, Rhizaria): Ity vondrona lehibe ity dia ahitana karazana maro dia maro dia ahitana zavamananaina manao fotôsentezy:
- ny Stramenopila: Ity vondrona ity dia ahitana ny Bacillariophyta, ahidrano tokan-tsela manana rindrina misy silisy saro-drafitra, sy ahidrano manja (Phaeophyceae), ahidrano an-dranomasina maro sela toy ny Saccharina latissima sy ny Fucus;
- ny Dinophyta sasany (Alveolata): Na dia maro aza ny Dinophyta miksôtrôfa (sady manao fôtôsentezy no heterôtrôfa) na heterôtrôfa, ny sasany dia aotôtrôfa (manao fôtôsentezy). Izy ireo no tompon' andraikitra amin' ny rano ho mena.
- ny Excavata:
- ny Euglenophyta (Euglenozoa): vondrona ahitana zavamananaina tokan-tsela manana karazana rambo, ny sasany amin' izy ireo dia manao fôtôsentezy noho ny mampiasa klôrôplasta azo avy amin' ny fampiantranoany zavamananaina hafa, ohatra amin' izany ny Euglena.