Papa
Papa no anaram-boninahitra iantsoana ny evekan' i Rôma sady izy koa no lohan' ny Eglizy katôlika rômanina maneran-tany. Araka ny fampianarana katôlika dia mifindra amin' ny alalan' ny fifandimbiasana hatramin' i Masindahy Piera (na Petera) izay nahazo izany tamin' i Jesoa Kristy ny fahefan' ny papa. Izany no atao hoe fifandimbiasana apôstôlika. Ny anaram-boninahitra hoe papa dia hita ao amin' ny tahirin-kevitra maro nanomboka tamin' ny Kônsily voalohany tao Nisea (na Nikea) tamin' ny taona 325. Ny papa koa dia filohan' ny Fanjakan'i Vatikàna.
Amin' izao fotoana izao dia i Jorge Mario Bergoglo no papa izay nitondra ny anarana hoe Fransoa (na Fransesko), nandimby an' i Benoa XVI (na Benedikto XVI) sady izy no papa faha-266. Tamin' ny 13 Mey 2013 no nahalany azy ho papa.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Papa
[hanova | hanova ny fango]- Aleksandra VI
- Benoà XVI
- Bônifasy VIII
- Damaso I
- Eogenio III
- Gregôrio IX (na Gregoara IX)
- Gregôrio XIII (na Gregoara XIII)
- Hônôrio III na (Hônôre III)
- Inôkentio III
- Joany Paoly II
- Jolio I
- Jolio II
- Klemento avy any Roma (Klemento I)
- Klemento IX
- Klemento VIII
- Leo X
- Liberio
- Orbano II
- Paoly VI
- Piera (na Petera)
- Siksto IV