Aller au contenu

Office National pour l'Environnement

Avy amin'i Wikipedia
Sary sy soratra famantarana ny Office National pour l'Environnement.

Ny Office National pour l'Environnement na ONE dia sampan-draharaham-panjakana mpiantsehatra manokana eo amin' ny sehatry ny tontolo iainana manerana an' i Madagasikara, izay misahana ny fanaovana fanadihadiana momba ny tontolo iainana raha misy orinasa mikasa hisahana asa vaovao mety hanova ny endriky ny tontolo iainana eto Madagasikara. Mahakasika ny sehatr' asa rehetra izany. Tompon' andraikitra amin' ny fanomezana fahazoan-dalana ahafahan' ny orinasam-panjakana na an' ny tsy miankina manohy ny fikasany hanao ny asany, indrindra ho an' ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany, ny mpanamboatra lalana, mpanao fanorenana, mpanamboatra fefiloha, mpamokatra akora mamoaka setroka na fofona mety hiantraika amion' ny fahasalamam-bahoaka, izay mety atahorana hanimba ny tontolo iainana ny zavatra kasainy hatao. Noforonina tamin' ny taona 1990 ny ONE.

Satan' ny ONE

[hanova | hanova ny fango]

Ny ONE dia orinasam-panjakana malagasy, manana ny maha ara-dalàna azy ary manana fizakan-tena ara-pitantanana sy ara-bola, eo ambany fiahiana ara-teknikan' ny Minisitera misahana ny tontolo iainana sy eo ambany fiahiana ara-bolan' ny Minisitera misahana ny fitantanam-bolam-panjakana. Ny ONE dia tompon' andraikitra amin' ny fandrindrana ny fanatanterahana ara-teknika sy ara-bola ny tetikasa sy ny hetsika ao amin' ny fandaharan' asam-pirenena momba ny tontolo Iainana, mamolavola sy mamindra ny pôlitika sy ny paikady ary ny fitaovana momba ny fitantanana ny tontolo iainana[1].

Ny ONE no rafitra mpanatanteraka ny pôlitika momba ny fitantanana ny tontolo iainana eto Madagasikara ary ny andraikiny dia ny fanomezana tolo-kevitra mikasika ny pôlitikan' ny fitantanana ny tontolo iainana, indrindra mikasika ny votoatiny mahakasika ny tontolo iainana ao amin' ny drafitra fampandrosoana; ny fandrindrana ny fametrahana sy fanatanterahana ny drafitr' asa momba ny tontolo iainana; ny fiantohana ny tsy hisian' ny hetsika ara-toekarena izay manimba ny tontolo iainana. Amin' izao fotoana izao ny ONE dia mitodika manokana amin' ny fampandrosoana sy ny fampandehanana ny fitaovana fitantanana ny tontolo iainana, indrindra ny fampifanarahana ny fampiasam-bola amin' ny tontolo iainana[1].

Ny andraikiny sy ny iraka tanterahiny

[hanova | hanova ny fango]

Maro ny andraikitra sy ny iraka tanterahin' ny ONE, ka anisan' izany ny fisorohana ny loza mety hitranga eo amin' ny tontolo iainana amin' ny fanatanterahana ny zavatra ataon' ny fanjakana sy tsy miankina ary ny ady amin' ny fahalotoan' ny tontolo iainana. Ao koa ny fitantana ny rafitra fampahalalana momba ny tontolo iainana mba hahafa-manara-maso sy hanombana ny toetry ny tontolo iainana. Ny ONE koa dia tompon' andraikitra amin' ny fanomezana torohevitra sy fahaiza-manao ho an' ny fikambanana na orinasa mila izany[2].

Ny fandinihana ny fiantraika amin' ny tontolo iainana dia fandalinana ara-tsiansa mialoha momba ny fiantraikan' ny asa iray amin' ny tontolo iainana, sy fandinihana ny maha azo ekena ny habe sy fepetran' ny fanalefahana izay ahafahana miantoka ny tsy fahasimban' ny tontolo iainana ao anatin' ny fetran' ny teknôlôjia tsara indrindra amin' ny vidiny azo ekena[2].

Amin' ny alalan' ny fahavitan' ny fandalinana ny fiantraika amin' ny tontolo iainana, ny famantarana sy ny fanombanana ny maha zava-dehibe ny fiantraika lehibe sy ny fepetra fanalefahana atolotra, ny tetikasa dia tsy maintsy manomana fanatsarana ny kalitaon' ny tontolo iainana amin' ny alalan' ny fanolorana drafitra momba ny fitantanana voasaina ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary. eo amin' ny toerana iorenany sy amin' ny faritra manodidina izay mety iharan' izany[2].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1,0 et 1,1 "ONE PNAE - Office National pour l'Environnement", www.pseau.org,
  2. 2,0 2,1 et 2,2 "Office National pour l'Environnement", www.pnae.mg