Autorité nationale de l'eau et de l’assainissement
Ny Autorité Nationale de l'Eau et de l'Assainissement na ANDEA dia rafitra mpanatanteraka ny pôlitikan' ny fitondram-panjakana malagasy momba ny fitantanana mitambatra ny loharanon-drano, manana andraikitra amin' ny fanaraha-maso ny fampiharana ny paikadim-pirenena, ny fampivoarana ny rafi-pampahalalam-baovao, ny fanisana ny loharanon-drano[1].
Araka izany dia ny ANDEA no mandrindra sy manomana tetika ary mandahatra ny tetikasa momba ny fanomezana rano sy ny fidiovana, mandrafitra angon-drakitra sy manangona vaovao momba ny loharanon-drano, fikarohana teknôlôjia vaovao hampihenana ny vola lany momba ny fitrandrahana rano, manome lanjany ny fampiasana ny korian-drano ho an' ny famokarana prôteinina avy amin' ny biby, ny fitaterana, ny fialam-boly ary ny famokarana angovo[2].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Fonctionnement de l'ANDEA", www.pseau.org
- ↑ "ANDEA", pseau.org. Notsidihina tamin' ny 14 /08/2024