Ny Sôfian' i Jesoa Kristy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sôfian' i Jesoa Kristy na Fahendren' i Jesoa Kristy dia asasoratra gnôstika izay hita voalohany tao amin' ny Kôdeksa Berlin (Kôdeksa novidina tany Kahira renivohitr' i Ejipta tamin' ny taona 1896 ary nomena ny Tranombakok' i Berlin izay misy koa ny Filazantsaran' i Maria, ny Apôkrifan' i Joany, ary famintinana ny Asan' i Petera). Malaza kokoa ny Sôfian' i Jesoa Kristy izay anisan' ny famelabelarana (masekhet) gnôstika maro ao amin' ny kôdeksan' i Nag Hammadi, hita tany Ejipta tamin' ny taona 1945. Ny sora-tanana Berlin-Codex (mifanohitra amin' ny vontoatiny) angamba dia nosoratana manodidina ny taona 400 taor. J.K., ary ny sora-tanana tao Nag-Hammadi dia natao tamin' ny taompolo 300. Na izany aza, ireo dia mifameno amin' ny sombintsombiny vitsivitsy amin' ny teny grika izay nosoratana tamin' ny taompolo 200, izay mametraka daty aloha kokoa ho an' ny vontoatiny.

Na dia mety hanondro an' i Sôfia aza ny lohateny, dia milaza i Roel van den Broek fa i Sôfia dia tokony ho takatra amin' ny heviny mahazatra hoe "fahendrena", mitovy amin' ny lohateny hoe Fahendren' i Salômôna sy Fahendren' i Siràka (na Bokin' ny Ekleziastika).

Ity lahatsoratra ity dia mirakitra saika ny Epistilin' i Eognôstôsy (na Eognôstôsy ilay Voatahy) manontolo, izay hita ao amin' ny kôdeksan' i Nag Hammadi ihany koa, saingy mampiditra azy ao anatin' ny fitantarana kristiana, izay amalian' i Jesoa na Jesosy ny fanontanian' ny mpianany amin' ny alalan' ny teny avy amin' ny Eognôstôsy ara-bakiteny.