Natoralisma (filôzôfia)

Avy amin'i Wikipedia

Ny natoralisma dia fiheverana fa ny zava-drehetra misy sy mitranga dia azo hazavaina amin' ny alalan' ny antony na amin' ny alalan' ny foto-javatra ao amin' ny natiora. Noho izy manaisotra lavitra ny fihoa-draha, ny natoralisma dia mihevitra ny asa ara-pilôzôfia ho tohin' ny asa ara-tsiansa. Ny natoralisma dia ny fiheverana fa ny lalàna sy ny hery ao amin' ny natiora ihany no miasa eo amin' izao rehetra izao.

Ny natoralisma dia tsy tokony afangaro na amin' ny materialisma na amin' ny Naturphilosophie ao amin' ny idealisma alemàna izay nilaza, tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19, ho nanome fanazavana metafizika momba ny fivoaran' izao tontolo izao. Ny materialisma dia endrika iray amin' ny natoralisma nefa tsy marina ny mifamadika amin' izany. Raha ny marina, ny natoralisma dia tsy fomba fijery metafizika momba ny tena zava-misy, ka tsy mitovy amin' ny materialisma. Ara-tantara anefa dia niara-nivoatra ireo fomba fijery roa momba izao tontolo izao ireo.

Ankehitriny ny natoralisma dia tafiditra indrindra ao anatin' ny tontolon' ny filôzôfia fandrasarasana izay tsy misy afa-tsy ny famakafakana lôjika momba ny fitenenana fotsiny, hatramin' ilay kihon-dalana "ôntôlôjika", nefa amin' ny ankapobeny, lasa lahateny fanjohian-kevitra mikendry ny fahatakarana izao tontolo izao sy ny tenantsika mifanaraka amin' ny angona avy amin' ny siansan' ny zavaboary.

Milaza, ohatra, ny filôzôfa Paul Kurtz fa tsara indrindra ny manazava ny zavaboary amin' ny alalan' ny firesahana momba ny foto-pitsipika ara-materialy. Anisan' ireo foto-pitsipika ireo ny lanja sy ny angovo ary ny toetra ara-pizika sy ara-tsimia hafa eken' ny fianakaviamben' ny mpahay siansa. Fanampin' izany, ity hevitry ny natoralisma ity dia milaza fa ny fanahy sy ny andriamanitra ary ny matoatoa dia tsy misy ary tsy misy "fikendrena" na "tanjona" eo amin' ny natiora.

Io famaritana matanjaka kokoa momba ny natoralisma io dia matetika antsoina hoe "natoralisma metafizika". Amin' ny lafiny hafa, ny fomba fijery voalanjalanja kokoa izay ilazana fa ny natoralisma dia tokony ho raisina amin' ny fomba fiasan' ny olona iray ho toy ny paradigma ankehitriny, izay tsy misy fiheverana fanampiny raha marina ny natoralisma amin' ny heviny metafizika, dia antsoina hoe "natoralisme metôdôlôjika" izany hoe natoralisma ho an' ny fomba fiasa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]