Mpanjakavavin' i Saba
Fiseho
| Mpanjakavavin' i Saba | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Mpanjakavavin' i Saba | ||
| Teraka | Tsy fantatra | ||
| Toerana | - | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | Etiopia | ||
| Asa : | Tsy fantatra | ||
| Fiainana manokana | |||
Ny mpanjakavavin' i Saba na mpajakavavin' i Seba dia mpanjakavavy resahina ao amin' ny Baiboly izay fantatra araka io boky io fa nanapaka ny Fanjakan' i Saba. Nitsidika an' i Sôlômôna na Salômôna tao Jerosalema izy raha nahare ny lazan' ny fahendren' ity mpanjakan' i Israely ity. Ny Fanjakan' i Saba (na Seba) dia mety nivelatra avy any Iemena ka hatrany amin' ny tapany avaratr' i Etiôpia sy any Eritrea.
Amin' ny teny hebreo dia atao hoe מלכת שבא / melket Shava io anarana io fa amin' ny teny arabo kosa dia ملكة سبأ / malika-t Saba ary amin' ny teny gezy dia ንግሥተ ሳባ / nəgəstä Saba.
