Mônôlatria

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Monolatria)

Ny mônôlatria na mônôlatrisma dia endriky ny pôliteisma izay tsy anompoana afa-tsy andriamanitra iray amin' ireo maro, sady manilika ny andriamanitra maro hafa. Avy amin' ny teny grika hoe μόνος / monos ("tokana") sy λατρεία / latreia ("fanompoana" na "fivavahana") io teny io. Tsy mitovy amin' ny mônôteisma izay tsy mino ny fisian' ny andriamanitra maro ny mônôlatrisma. Ny mônôlatria dia endrika manokan' ny henôteisma.

Maro ny andalana ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly, izay miresaka ny amin' ny andriamanitra maro hafa, dia mahatonga ny mpahay tantara hihevitra fa ny fivavahan' ny Hebreo taloha tamin'ny voalohany dia mônôlatria, izay niova ho mônôteisma taty aoriana. Ny mpahay tantara Jean Soler dia manohana izany fomba fijery izany, izay aoriny amin' ny fampitahana ny lahatsoratra maro, ary mametraka ny fiampitan' ny fivavahana jiosy avy amin' ny pôliteisma mônôlatra mankamin' ny mônôteisma ho teo amin' ny taonjato faha-4 tal. J.K. Izany fomba fijery izany, izay misy fitoviany amin' ny gnôstisisma, dia tsy eken' ny teôlôjiana jiosy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]