Matia (apôstôly)

Avy amin'i Wikipedia
I Masindahy Matiasy, sary nataon' i Peter Paul Rubens, taona 1611

I Matia na Matiasy, araka ny Asan' ny Apôstôly ao amin' ny Testamenta Vaovao, no nofidin' Andriamanitra tamin' ny alalan' ny filokana nataon' ireo Apôstôly mba hisolo an' i Jodasy Iskariôta taorian' ny namadihan' ity farany an' i Jesoa na Jesosy sy ny fahafatesany taorian' izany. Atao hoe Μαθθίας / Maththías izy amin' ny teny grika fa מַתִּתְיָהוּ / Mattiṯyāhū kosa amin' ny teny hebreo, ary ⲙⲁⲑⲓⲁⲥ / Mathias amin' ny teny kôpta. Maty tamin' ny taona 80 taor. J.K. i Matia. Miavaka ny fiantsoana azy ho apôstôly, satria tsy nataon' i Jesoa manokana izay efa niakatra tany an-danitra ny fanendrena azy, ary talohan' ny nidinan' ny Fanahy Masina tamin' ny Fiangonana tany am-boalohany ihany koa no nanaovana izany.

Firesahana azy ao amin' ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Asan' ny Apôstôly no iresahana ny amin' i Matia na Matiasy, araka izao:

21 Koa amin' ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo, 22 hatramin' ny batisan' i Jaona ka hatramin' ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon' ny nitsanganany. 23 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia. 24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Ianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon' ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin' izy roa lahy ireto, 25 mba hahazoany anjara amin' izao fanompoana sy ny mah' Apostoly izao, izay nialan' i Jodasy hankanesany any amin' ny fitoerany. 26 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin' i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan' ny Apostoly iraika ambin' ny folo lahy. (Asa 1:21–25, Ny Baiboly)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]