Aller au contenu

Mamimbony

Avy amin'i Wikipedia
Ny mamimbonin' ny Camellia

Ny mamimbony dia ranon-javatra madity sy be siramamy vokarin' ny zavamaniry ao amin' ny fihary manokana, ao amin' ny voninkazo izay mahasarika ny biby mpamindra vovobony, na ivelan' ny voninkazo, izay manome loharanon-tsakafo ho an' ny biby mpifanome tombontsoa, izay manome fiarovana ny biby mpihinana ahitra. Azo raisina ho toy ny ranon-javamaniry voavoatra izy io, izay nandalo fanovana mandritra ny dingan' ny fiforonana, ary mamokatra ny akora fototra amin' ny tantely.

Ny biby mpamindra vovobony sady mpihinana mamimbony matetika dia ny moka, ny fianakaviana lalitra Syrphidae, ny fanenitra, ny tantely, ny lolo (Rhopalocera) sy ny samoina (Heterocera), ny vorona kôlibry, ny voronkely mpihinana mamin-tantely (Meliphagidae) ary ny ramanavy. Singa manan-danja ara-toekarena ny mamimbony satria izy no loharanon' ny siramamy ao amin' ny mamin-tantely.

Tena ilaina amin' ny fambolena sy ny fikarakarana zavamaniry koa ny mamimbony satria mihinana mamimbony ny bibikely mpiremby sasany rehefa tonga amin' ny dingana maha lehibe azy. Ohatra, misy fanenitra mpihaza na fanenitra katsentsitra (ohatra ny karazana fanenitra miara-miaina Apoica flavissima) izay manao loharanon-tsakafo voalohany ny mamimbony. Avy eo dia mihaza bibikely mpanimba fambolena ho sakafon' ny zanany indray ireo fanenitra ireo.

Ny mamimbony dia matetika ampifandraisina amin' ny zavamaniry misy voniny (Angiospermae), araka io anarany io, nefa afaka mamokatra ranoka toa io koa ny vondron-javamaniry hafa, anisan' izany ny ampanga.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]