Aller au contenu

Maksimôsy avy any Kônstantinôpôlisy

Avy amin'i Wikipedia
I Maksimosy Konfesora

I Maksimôsy avy any Kônstantinôpôlisy, izay fantatra koa amin'ny anarana hoe Maksimôsy Teôlôjiana na Maksimo Kônfesora, dia monka na moanina sy teôlôjiana kristiana ary manampahaizana. Tamin' ny voalohany dia mpiasam-panjakana sy mpanampy ny emperora bizantina Herakliôsy izy. Nilaozany anefa izany fiainany ara-pôlitika izany fa nilatsaka ho monka izy. Teraka tamin' ny taona 580 i Maksimôsy ary maty tamin' ny taona 662. Isan' ireo atao hoe Rain' ny Fiangonana izy. Atao hoe Μάξιμος ὁ Ὁμολογητής / Maksimos ó Homologêtếs izy amin' ny teny grika.

Nifindra tany Kartago ka nandalina ny asa soratry ny filôzôfa neô-platônisiana maro izy, dia lasa mpanoratra malaza. Rehefa nisy namany iray nandray ny fampianarana kristôlôjika atao hoe mônôteletisma, dia tafiditra tamin' ny fifandirana izy tamin' ny nanohanany ny hevitra kalkedôniana izay mampianatra fa sady manana sitrapon' olombelona i Jesoa no manana sitrapon' Andriamanitra. Nahatonga azy hampijalina sy hisesy tany izany fisainany ny amin' i Kristy izany, dia maty izy fotoana vitsy taorian' izany.

Nohamafisin' ny Kônsily fahatelo tao Kônstantinôpôlisy anefa ny teôlôjian' i Maksimôsy sady nisaina ho olo-masina izy fotoana fohy taorian' ny nahafatesany. Ny anaram-boninahitra hoe "Kônfesora", izany hoe mpanambara ampahibemaso ny finoana (latina: Confessor fidei), dia midika fa niaritra fijaliana noho ny finoana izy, nefa tsy nahatonga azy ho maty martira izany. Heverina fa ny boky nosoratany atao hoe Fiainan' ny Virjiny no filazana feno ny tantaram-piainan' i Maria renin' i Jesoa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]