Louis de Saint Michel des Saints

Avy amin'i Wikipedia
Mompera Louis de Saint Michel des Saints.

Louis de Saint Michel des Saints dia mompera Kristianina, martiry trinitera avy ao Espaina, teraka ny 25 aogositra 1891 ary maty 24 septambra 1937. I Luis de San Miguel de los Santos no fiantsoana azy amin'ny teny espaniola.

Biografia[hanova | hanova ny fango]

Teraka ary natao batemy tany Amorebieta (Espaina) ny 25 aogositra 1891. Ny 12 septambra 1906 no nandray ny akanjon'ny Fikambanana trinitera tany Algorta ary tao ihany koa no nanononany ny Voady voalohany ny 6 oktobra 1907. Rehefa izany dia nalefan'ny Lehibe ho any Roma, tao amin'ny couvent-n'i San Carlino alle Quattro Fontane, mba hianatra filozofia sy Teolojia tao amin'ny Oniversite Gregoriana. Tao Roma no nanononany ny voady farany ny 4 aogositra 1910 sy nanamasinana azy ho pretra ny 8 aprily 1916. Ny taona 1920 ka hatramin'ny 1925 dia niasa tamin'ny paroasy tany Vienne izy, avy eo niverina tany Espaina ary nijanona herintaona tao Algorta alohan'ny nanendrena azy ho maître-n'ny skolastika tany Cordova, ny taona 1926. Lehiben'ny Trano tao Belmonte izy ny taona 1929 ka hatramin'ny 1933 ary voafidy ho mpanolo-tsaina provintsialy ny taona 1936.

Ny 28 jolay 1936 dia notafilhan'ny milisy avy any Vallecas ny tananan'i Belmonte. Nijanona tao amin'ny couvent ihany anefa i mompera Luois niaraka tamin'i mompera Melchor du Saint-Esprit sy frera Jean de la Vierge de Castellar fa ny relijiozy sasany sy ny skolastika no nandeha niafina tany amin'ny trano hafa. Ny 29 jolay no nisamborana azy ireo sy notindrana azy tany am-ponja izay efa nisy an'i mompera Jacques de Jésus. Ny 31 jolay no naminfrana azy ireo ho any amin'ny fonjaben'i Cuenca, ary ny 24 septambra no nitifirana azy ireo sy nandevenana azy ireo tao amin'ny cimentiere-n'ny tanàna: 45 taona i mompera Louis tamin'izay.

Martiry trinitera[hanova | hanova ny fango]

Martiry trinitera avy ao Espaina 1936-1937:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]