Françoise de l'Incarnation

Avy amin'i Wikipedia
Françoise de l'Incarnation

Françoise de l'Incarnation dia masera monialy Kristianina, martiry trinitera avy ao Espaina, teraka ny febroary 1873 ary maty 13 janoary 1937.

Biografia[hanova | hanova ny fango]

Masera Françoise de l'Incarnation teraka tao Martos ny febroary 1873. Ny taona 1889 no nidirany ho mpianatra tao amin'ny Monastera Trinitera tao Martos ihany izany nisy ny nenitoany masera tao. Ny 21 jolay 1936, noroahina hiala ny Couvent ny Masera trinitera mihiboka ka lasa niantrano tao an-tranon'ny anadahiny Ramon niaraka tamin'ny nenintoany, Masera Maria du Rosaire i Masera Françoise.

Ny 13 janoary 1937 dia novonoina niaraka tomin'ireo voagadra tao amin'ny Toeram-pandevenana tao Casillas tao Martos izy. Ny iray tamin'ireo milisy dia nikasa hametaveta azy saingy nanohitra tamin-kery igagana i Françoise: romotry ny hatezerana ity jiolahy ka nodarofany ny vodibasy ny lohan'i Masera Françoise hahafaty azy ary avy eo notaritiny ho any an-davaka ny fatiny. 63 taona izy tamin'izay.

Martiry trinitera[hanova | hanova ny fango]

Martiry trinitera avy ao Espaina 1936-1937:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]