Lemak' i Jezreel

Avy amin'i Wikipedia

Ny Lemak' i Jezreel na Jezreel, izay antsoina koa hoe Lemak' i Esdrelon, dia tany lemaka sady lonaka ao avaratr' i Israely, eo anelanelan' ny Farihy Tiberiada (na Tiberiasy) sy ny ony Jordana ao atsinanana sy i Mediteranea ao andrefana. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe יזרעאל / Yizre'el, "famafazan' Andriamanitra" na "mamafy Andriamanitra.

Miendrika telolafy ity tany lemaka ity izy faritan' ny Tendrombohitra Tabor ao avaratra-atsinanana, ny Tendrombohitra Karmela ao avaratra-andrefana. Manana halava mirefy 60 km izy ary manana salan-tsakany mirefy 25 km.

I Kishon na Qishon, izay renirano ritra tanteraka amin' ny vanimpotoana sasany amin' ny taona, no korian-drano lehibe ao. Ny nofon-tany ao amin' ity tany lemaka ity dia lonaka ary toerana fambolena tena mamokatra ao Israely izy. Volena ao ny varimbazaha, ny landihazo, ny katsaka, ny paraky, ny ampembimbazaha ary legioma samihafa.

Tanàna trananiny i Jezreel izay miorina eo amin' ny sisin' ny tanin' ny fokon' i Isakara, avy eo tao amin' ny Fanjakan' i Israely. Ny toerana nanorenana ilay tanàna dia ao atsimon' ny Lohasahan' i Jezreel any Israely. Noho ny toerana stratejika misy azy dia nahitana ady maro ny tao amin' ny Lemak' i Jezreel. Tamin' ireo ady ireo dia tsarovana ny faheresen' ny Kananita (na Kananeana) taorian' ny adiny tamin' i Israelita tamin' ny taonjato faha-14 tal. J.K.