Tendrombohitra Karmela

Avy amin'i Wikipedia
Tendrombohitra Karmela

Ny Tendrombohitra Karmela dia tandavan-tendrombohitra amorontsiraka any avaratr' i Israely hatrany amin' ny Ranomasina Mediteranea mankany atsimo-atsinanana. Tanàna maromaro no miorina ao, indrindra ny tanànan' i Haifa, tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Israely, miorina eo avaratry ny avaratra sy andrefana. Ny tanànan' i Haifa dia hita amin' ny ampahany amin' ny tehezan' ny Tendrombohitra Karmela, toraka izany koa ny tanàna kely vitsivitsy toa an' i Nesher sy i Tirat Karmela.

Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe הַר הַכַּרְמֶל‎ / Har HaKarmel, fa amin' ny teny arabo kosa dia جبب ال / Jabal Al-Karmil. "Tanim-boalobok' Andriamanitra" no dikan' ny hoe Karmel.

Ny toerana misy ny Tendrombohitra Karmela ao amin' ny faritr' i Haifa

Noho ny zava-maniry midadasika eny amin' ny tehezan-kavoana, ary koa ny fisian' ny lava-bato maro eny amin' ny faritra mideza kokoa dia lasa fieren' ny mpanao heloka bevava ny Tendrombohitra Karmela. Nandritra ny Ady Lehibe I, ny Tendrombohitra Karmela dia nanana anjara asa stratejika lehibe. Ny Ady tao Megidô (1918) dia natao teo amin' ny loha-lalana iray niampita ny tampon' ny Tendrombohitra Karmela, izay mandondona ny Lohasahan' i Jezreel eo atsimo.

Ny jeneraly Edmund Allenby no nitarika ny tafika britanika tamin' io ady io izay kihon-dalana tamin' ny ady tamin' ny Empira Ôtômàna. Ny Lohasahan' i Jezreel dia efa nampiantrano ady maro (anisan' izany ny ady lehibe manan-tantara tao Megidô) teo amin' ny Ejipsina sy ny Kananita, saingy tamin' ny ady tamin' ny taonjato faha-20 vao nandray anjara lehibe ireo tampon' i Karmela, noho ny fivoaran' ny balam-pitaovam-piadiana.