Knesset

Avy amin'i Wikipedia
Mari-pamantaran' ny Knesset

Ny Knesset no antenimiera mpanao lalàna ao Israely. Amin' ny maha andrim-panjakana ambony azy, ny Knesset dia masi-mandidy sady manana fifehezana tanteraka ny governemanta israeliana manontolo, afa-tsy noho ny famerana sy ny fampifandanjana avy amin' ny fitsarana sy ny governemanta isan-toerana.

Atao hoe הַכְּנֶסֶת / haˈkneset, izay midika hoe "fivoriana", izy amin' ny teny hebreo.

Ny Knesset no mandany ny lalàna rehetra, mifidy ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra (na dia tendren’ ny praiminisitra ara-pomba aza ny filoha), mankato ny kabinetra, ary manara-maso ny asan’ ny governemanta, ankoatra ny zavatra hafa. Ankoatra izany, ny Knesset dia mifidy ny mpanara-maso ny fanjakana.

Ireto ny fahefana ananany: manaisotra ny tsy maha matimanota ny mpikambana ao aminy, manala ny filoha sy ny mpanara-maso ny fanjakana amin’ ny toerany, mandrava ny governemanta amin’ ny latsa-bato fitsipaham-pitokisana, ary mandrava ny tenany ary miantso fifidianana vaovao. Afaka mandrava ny Knesset koa ny praiminisitra. Na izany aza, mandra-pahavitan' ny fifidianana, ny Knesset no mitazona ny fahefana. Mivory ao Givat Ram, ao Jerosalema, ny Knesset.

Ny depiote israeliana dia fidina hiasa mandritra ny efa-taona. Hatramin' ny nananganana ny Knesset tamin' ny taona 1949, tamin' ireo dimy amby roapolo voafisy dia enina ambin' ny folo no noravana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]