Aller au contenu

Karana (taolana)

Avy amin'i Wikipedia
Karam-batan-tsoavaly

Ny karana na karam-batana dia rafitra manohana ny vatan' ny ankamaroan' ny biby. Misy karazany maro ny karana, anisan' izany ny karana ivelany, izay akora ivelany henjana mitazona ny endriky ny zavamananaina; ny karana anatiny (taolana), izay rafitra anatiny henjana ipetrahan' ny taova sy ny tamba-tsela malemy; ary ny karan-dranoka, rafitra anatiny mora milefitra tohanan' ny tsindrin' ny ranoka ao amin' ny vatana.

Ny biby misy hazondamosina dia manana karana anatiny miorina manodidina ilay hazondamosina, ary izeany karana izany dia matetika ahitana taolana sy taola-mamy na taolan-karepoka. Ny biby tsy manana hazondamosina dia manana karana miovaova, anisan' izany ny karana ivelany mafy (biby manana tongotra miefitrefitra (drakaka, makamba, patsa, hala, maingoka, sns) sy ny ankamaroan' ny sifotra sy ny mitovitovy aminy), ny biby misy akorany anatiny (ohatra ny horita sy ny angisy) sns. Ny taola-malemy dia tamba-tsela henjana mamatotra izay hita ao amin' ny biby manana na na tsy manana hazondamosina.