Makamba

Ny makamba na patsabe dia biby an-drano, manana vatana lava, folo rantsam-batana (Decapoda), milomano, navondrona taloha tao amin' ny zana-pilaharan' ny Natantia. Tsy manondro vondrona voafaritra mazava ny teny hoe "makamba" na "patsabe". Ao amin' ny zafim-pilaharana Caridea sy ao amin' ny zana-pilaharana Dendrobranchiata ny ankamaroan' ireo biby atao hoe "makamba" na "patsabe" ireo. Afaka mandeha amin' ny tongony ny orana sy ny foza, fa ny makamba kosa dia milomano.
Karazany
[hanova | hanova ny fango]Maherin'ny 2 000 ny karazana makamba maneran-tany. Misy ny mankamba dia ary misy koa ireo tamana izany hoe ompiana amin' ny dobo, misy koa ny mivelona amin' ny rano mamy sy ny miaina an-dranomasina. Saika ahafahany makamba miaina sy ahitana azy daholo ny ranomasina na ôseana maneran-tany. Tsy fahita firy ny makamba dia. Miavaka noho ny tsirony miharihary kokoa sy ny nofony henjana kokoa izy ireo. Ny ankamaroany dia jonoina aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, akaikin' ny morontsirak' i Madagasikara, na any Atlantika Afovoany Atsinanana. Ny mankamba ompiana no be mpanjifa indrindra ka any Azia sy any Amerika Latinina no mpamokatra izy ireny betsaaka. Maro karazana ny makamba, fa ny mazana hita eny amin'ny mpivarotra hazandrano dia ireto karazany telo ireto ihany:
- makamba volon-davenina (miavaka amin'ny habeny kely, milanja grama vitsivitsy monja);
- makamba "bouquet "izay milanja grama am-polony vitsivitsy;
- makamba mpanjaka "gambas", izay mety milanja hatramin'ny an-jatony grama;
Azo hanina mandritra ny taona ny patsa, ary hanina manta na masaka[1].
Fitrandrahana
[hanova | hanova ny fango]
Karazana makamba maro no anaovana fitrandrahana ara-barotra lehibe; nitombo be ny fanjifana makamba eran-tany nandritra ny taompolo 2000. Nitombo be ny makamba ompiana, na an-dranomasina na an-dranomamy, raha oharina amin' ny makamba tsy ompiana. Marihina fa ao anatin' ny Decapoda ny makamba, ny orana, ny drakaka, ny langosta ary ny patsa.
Makamba eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tamin' ny taona 1960 no nanomboka nitrandraka ny makamba mipetraka amoron-tsiraka ny teto Madagasikara. Anisany mampiditra vola vahiny maro eto amin' ny Nosy ny fanondranana makamba. Niha maro ny mpampiasa vola nanampaniriana ny hitrandraka, ka nampitombo ny fanjonoana azy. Noho ny fitombon' ny vesatry ny fanjonoana dia misedra olona ara toekarena ny fanjonona makamba eto Madagasikara nanomboka teo anelanelan'ny taona 1990[2].