Orana (biby)

Ny orana dia biby anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, folo rantsam-batana (Decapoda) ka ny roa voalohany toy ny tandra misy kinifinifiny ahafahany miketoka. Ao amin' ny zafim-pilaharana Astacidea, ao amin' ny fianakaviambe Astacoidea sy Parastacoidea izy ireo nefa miparitaka amin' ny vondron-karazana maro. Misefo amin' ny alalan' ny sagoaga miendrika volom-borona izy ireo. Ny karazana sasany dia hita any amin' ny renirano kely, izay ikorianan' ny ranomamy, fa ny hafa kosa miaina eny amin' ny heniheny na honahona sy ny tatatra ary ny tanimbary. Ny ankamaroan' ny orana dia tsy mahazaka rano maloto, na dia misy karazana sasany, mahazaka, toy ny Procambarus clarkii. Mihinana biby sy zavamaniry, na velona na efa lo ny orana.
Toa hômara kely, izay mifandray akaiky aminy, ireo karazam-biby ireo. Ahafaha-mamantatra ny kalitaon' ny ranomamy ny orana. Ahitana zavatra efa mihalo ny sakafon' izy ireo.
Fianakaviana sy karazana
[hanova | hanova ny fango]Ny orana dia anisan' ny kilasin' ny Crustacea, izay voasokajy ao amin' ny filaharan' ny Decapoda. Araka ny Sinclair sy ny namany. (2004) tamin' ny taona 2004, karazana orana 593 no voatsinjara ao amin' ny vondron-karazana 30 ao amin' ny fianakaviana telo:
- ny Astacidae (karazana 14, any amin' ny ila-bolantany avaratra, indrindra any Amerika Avaratra);
- ny Cambaridae (karazana 409, any amin' ny ila-bolantany avaratra ary indrindra any Amerika Avaratra);
- ny Parastacidae (karazana 170, any amin' ny ila-bolantany atsimo, fa indrindra any Aostralia)
Any amin' ny toerana misy azy ireo, dia saika hita any amin' ny ranomamy rehetra, afa-tsy ny Antarktika sy Afrika ny orana (ny akany tokony hisy ny orana dia lasan' ny foza an-ranomamy sy ny makamba an-ranomamy). Tsy hita any Azia Afovoany koa ny orana.