Kôrsa

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarintany maneho an'i Frantsa ahitana ny nosy Kôrsa (miloko mena).

I Kôrsa na Kôrsika dia nosy ao atsimon'i Frantsa sady nosy fahefatra amin'ireo lehibe indrindra ao amin'ny Ranomasina Mediteranea. Atao hoe Corse izy amin'ny teny frantsay, fa Corsica kosa amin'ny teny kôrsa sy teny italiana ary Còrsega amin'ny teny ligoriana.

Any amin'ny 170 km atsimon'i Frantsa no misy ny nosy Kôrsa. Manana velarana mirefy 8 722 km2 izy. Misy tangoron-tendrombohitra ny ao afovoany izay saika manerana ny andavan'ilay nosy avy any avaratra mianantsimo, ka mizara azy ho roa. Ny avo indrindra amin'izany izany dia ny tendrombohitra atao hoe Monte Cinto izay mahatratra 2 710 km. I Kôrsa dia vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana frantsay. Atao hoe Kôrsa na Kôrsikana ny mponina ao, izay miteny kôrsa, frantsay, italiana, grika, bonifasiana, ligora, ary galorey ny mponina ao.