Kôrà
Fiseho

I Kôrà na Kôre zanak' i Izehara (na Jizara na Isaara), dia olona resahina ao amin' ny Bokin' ny Nomery ao amin' ny Testamenta Taloha (Baiboly hebreo) sy andininy efatra samihafa ao amin' ny Kor'any, izay lazaina fa nitarika fikomiana manohitra an' i Mosesy (na Môizy) sy Aarôna nandritra ny fiampitana ny tany efitra (Nomery, toko faha-16). Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe קֹרַח / Qōraḥ; fa amin' ny teny arabo kosa dia : قارون / Qārūn. Io no nakana ny anaran' ny parasha atao hoe Qora'h ao amin' ny jodaisma. Ny anarana hoe Kôrà na Kôre koa dia ampiasaina amin' ny olona iray hafa, fara fahakeliny, ao amin' ny Baiboly hebreo: Kôrà (zanak' i Esao).