Juvénal Habyarimana

Avy amin'i Wikipedia
Juvénal Habyarimana (1980)

I Juvénal Habyarimana dia mpanao pôlitika roandey sy filoham-pirenen’i Roanda tamin’ny taona 1973 hatramin’ny 1994. Teraka tamin’ny taona 1937 izy ary maty tamin’ny taona 1994. I Grégoire Kayibanda, izay naongany, no filoham-pirenena nodimbiasany ary i Pasteur Bizimungu no nandimby azy.

Talohan’ny naha filoham-pirenena azy[hanova | hanova ny fango]

Ny fanabeazana azony[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao Gisenyi ao amin’ny faritra avaratra ao Roanda, avy amin’ny fianakaviana hoto, i Habyarimana. Nianatra tao amin’ny sampam-pianarana momba ny fitsaboana tao amin’ny Oniversiten’i Lovaium (Oniversiten’i Kinshasa ao amin’ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô ankehitriny) izy.

Ny asany tao amin’ny tafika[hanova | hanova ny fango]

Tafiditra tao amin’ny tafika izy ka nianatra tao amin’ny sekolin’ny manamboninahitra tao Kigali ao Roanda. Tamin’ny taona 1963 hatramin’ny taona 1973 dia nisahana andraikitra miaramila maro izy, ka isan’izany ny naha lehiben’ny etamazôro azy, ny naha minisitry ny tafika sy ny pôlisy azy.

Filoham-pirenena[hanova | hanova ny fango]

Nanongam-panjakana[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ny volana Jolay 1973 dia naongan’ny jeneraly Habyarimana minisitry ny Fiarovana, tsy nisy rà mandriaka, ny filoham-pirenena Kayabanda, rehefa noheveriny fa tsy nahomby teo amin’ny fitondrana. Nanohana azy tamin’izany ny manamboninahitra hoto tao amin’ny faritra avaratra. Nanambara ny tenany ho filoham-pirenena izy. Tamin’izany no nanambaràny koa ny tsy fankasitrahany ny pôlitika misy fanavaham-poko sy fanavaham-paritra nataon’i Kayabanda.

Nanangana ny Mouvement révolutionnaire national pour le développement (MRND) izy tamin’ny volana Jolay 1975 izay antoko tokana teo amin’ny fanjakana. Tamin’ny nanendreny ministra dia ny miaramila (ao amin’ny faritra avaratra) no nampitazoniny ny ministera fanalahidy. Lany ho filoham-pirenena indray izy tamin’ny taona 1983 sy 1988.

Nampirongatra ny ady teo amin’ny foko samihafa tao Roanda ny fomba fitondrany. Voatsikera vokatry ny fitsitsiany tafahoatra sy ny fanjakan’ny kolikoly izany fitondrana izany. Tamin’ny volana Jolay 1990 dia nanaiky ny faneren’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena i Habyarimana ka nampiditra ny firenena tamin’ny tetezamita hizorana mankany amin’ny demôkrasia mamela ny fisian’ny antoko maro.

Filohan’ny tetezamita[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ny volana Ôktôbra 1990 dia nanani-bohitra tao amin’ny tapany avaratr’i Roanda ny Front patriotique rwandais (FPR) izay tafika mpioko nahitana Hoto malemy fihetsika vitsivitsy sy Totsy maro mpialokaloka any Oganda. Izany fananiham-bohitra izany dia niteraka ady an-trano nahafatesana olona anarivony maro. Tamin’ny volana Aogositra 1993 dia nanao sonia fifanarahana tao Arusha (tanàna any amin’ny tapany avaratra atsinanan’i Tanzania) i Habyarimana sy ny mpitarika ny FPR mba hampisy fandriam-pahalemana. Tsy nitsahatra anefa ny fifanandrinana teo amin’ireo henjam-pihetsika teo amin’ny MRND antokony sy ny milisin’ny governemanta. I Habyarimana no voatendry ho filohan’ny tetezamita mandritra ny 22 volana.

Ny nahafatesany[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ny 6 Avrily 1994, efa-bolana taorian’ny nanendrena azy ho filohan’ny tetezamita dia maty niaraka tamin’i Cyprien Ntaryamira filohan’i Borondy, Hoto tahaka azy, i Habyarimana, tamin’ny fitifirana misily ny fiaramanidina nitondra azy roa ireo teo am-piomanana hiantsona ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Kigali. Tsy fantatra mazava ny tompon’andraikitra tamin’izany vonoana olona izany nefa izany no nampipoaka, tamin’ny volana Jolay 1994, ny fandripahana mifanesy ny Totsy sy ny Hoto mandanja fihetsika, nataon’ireo milisy hoto henjam-pihetsika (atao hoe Interahamwe), ka nahafatesana olona eo anelanelan’ny 800 000 sy 1 000 000. Izany fandripahana izany dia nosokajin’ny Firenena Mikambana ho fandringanan-taranaka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo filoham-pirenena roandey: