Sefarada

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Jiosy sefarada)

Ny Sefarada na Jiosy sefarada dia iray amin' ny fizarana lehiben' ny vahoaka jiosy araka ny toerana niaviany ka manondro ny Jiosy tamin' ny Andro Antenatenany nonina tao amin' ny Saikanosy Iberika (indrindra i Espaina) sy tao Afrika Avaratra ary manondro koa ny taranak' izy ireo, izany hoe ny fitambaran' ny vahoaka jiosy tsy Askenazy.

Ny Jiosy tao amin' ny faritra be Kristiana tao amin' ny Saikanosy Iberika dia voenjika mafy, tsy nitovy amin' ny Jiosy tamin' ny faritra be Mozilmana, ka nitsoaka avy ao tamin' ny taona 1492 taorian' ny nahazoan' ny Kristiana ny faritra sisa farany nisy Mozilmana sy tamin' ny fanambarana an' i Espaina. Nitsoaka nankany Afrika Avaratra sy tany amin' ireo fari-tany any atsinanana amin' ny Empira Ôtômàna izy ireo, avy eo nanorina vondrona maro tany Frantsa, tany Hôlanda, tany Angletera, tany Italia, tany ami' ny Balkàna, sns.

Manana ny fiteniny manokana ny Sefarada, dia ny fiteny jodeô-kastilàna, atao hoe fiteny ladinô. Manaraka ny fomban' ny Jiosy babilôniana izy ireo, fa tsy tahaka ny Askenazy izay mifikitra amin' ny fomban' ny Jiosy palestiniana.

Anondroana ny Jiosy avy any Afrika Avaratra sy avy any Atsinanana Akaiky miteny arabo sy persàna sady tsy manana fifandraisana ara-pirazanana amin' ny faritra eorôpeana koa ny teny hoe Sefarada. Ny ankamaroan' izy ireo dia nanaraka ny fomba jiosy babilôniana noho ny fifampikasohany amin' ny Sefarada, ka izany no antony anondroana azy ireo amin' ny anarana hoe Sefarada koa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]