Jiosy israeliana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Jiosy israeliana na Israeliana jiosy dia anisan' ny Jiosy ao Israely nandritra ny fotoana nanambaràna ny Fanjakan' i Israely sy mandraka androany. Izy ireo dia olom-pirenena israeliana sy Jiosy ara-pirazanana avy amin' ny foko jiosy sy/na niova finoana ho amin' ny jodaisma. Atao hoe יהדות ישראל / Yehudim Yisre'elim izy ireo amin' ny teny hebreo. Ny mponina jiosy dia 73,7 % amin' ny mponin' i Israely tamin' ny Desambra 2022, izany hoe 7 116 200 eo ho eo. Tondroina amin' io andian-teny io koa ny taranaky ny Jiosy isiraeliana izay nifindra monina sy nanorim-ponenana any ivelan' ny Fanjakan' i Israely, izay hita indrindra any amin’ ny Tontolo Tandrefana. Ny ankamaroan' ny Jiosy israeliana dia mampiasa ny fiteny hebreo, izay fiteny semitika, ho fitenin-dreniny.

Ny Jiosy ao Israely dia ahitana ny vondrom-piarahamonina jiosy avy any am-pielezana rehetra, anisan' izany ny Jiosy askenazy, ny Jiosy sefardy, ny Jiosy mizrahy, ny Beta Israely, ny Jiosin' i Cochin, ny Bene Israely, ny Jiosy karaita, ary ny vondrona maro hafa. Ny vondrom-piarahamonina jiosy israeliana dia maneho karazana fomban-drazana jiosy isan-karazany ary mahafaoka ny fitandremana ara-pinoana feno manomboka amin' ny Haredim, izay mitandrina ny jodaisma ôrtôdôksa, mandalo amin' ny jodaisma mpitahiry sy ny jodaisma nohavaozina ka hatramin' ny Hilonim, izay mitazona fomba fiaina jiosy laîka. Ao amin' ny mponina jiosin' i Israely dia maherin' ny 25 % amin' ny ankizy mpianatra ary maherin' ny 35 % amin' ny zaza vao teraka rehetra no taranaka askenazy sy sefardy/mizrahy mifangaro, ary nitombo 0,5 % teo ho eo isan-taona ireo tarehimarika ireo. Maherin' ny 50 % amin' ny mponina jiosy israeliana no avy amin' ny ampahany fara-fahakeliny sefardy/mizrahy.

Na dia eo aza ny adihevitra mitohy momba ny fanontaniana hamaritana ny maha Jiosy eo amin' ireo Jiosy israeliana, ny sata maha Jiosy ny olona iray, izay heverin' ny governemanta israeliana ho raharaha momba ny zom-pirazanana, dia voasoratra sy fehezin' ny Minisitry ny Atitany israeliana (hebreo: משרד הפנים, Misrad HaPnim), izay mitaky amin' ny olona iray hahafeno ny famaritana araka ny Halakà mba ho voasoratra ho Jiosy. Araka ny filazan' ny Israel Central Bureau of Statistics (hebreo: הלשכה המרכזית לסטטיסטיקה / HaLishka HaMerkazit LiStatistika; "Birao Foiben' ny Antontanisa Israeliana") dia nahatratra 7 181 000 ny isan' ny Jiosy israeliana tamin' ny taona 2023, izay 73 % amin' ny fitambaran' ny mponina ao Israely (raha tafiditra ao anatin' izany ny mponina arabo ao Jerosalema Atsinanana sy ao amin' ny Lembalemban' i Golan).

Ny fanadihadiana tamin' ny taona 2008 nataon' ny Israel Democracy Institute (hebreo: המכון הישראלי לדמוקרטיה) dia mampiseho fa ny ankamaroan' ny Jiosy israeliana (47 %) dia milaza ho Jiosy aloha avy eo vao Israeliana, ary 39 % monja no mihevitra ny tenany ho Isiraeliana aloha vao izay Jiosy.

Ny Jiosy nonina ao amin' ny Tany Masina talohan' ny nananganana ny Fanjakan' i Israely tamin' ny taona 1948 dia matetika antsoina hoe "Jiosy palestiniana" (mampahatsiahy ny faritr' i Palestina sy ny fitantanan' ny Britanika) ary amin' ny teny hebreo hoe HaYishuv HaYehudi Be'Eretz Yisra 'el ("Ny Fikambanan' ny Jiosy ao amin' ny Tanin' i Israely").

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]