Horona
Ny teny hoe horona dia teny malagasy ilazana vondron-karazan-javamaniry maromaro izay samy bozaka avokoa, anisan' izany ny vondron-karazana atao hoe Alloteropsis, Aristida, Imperata ary Loudetia.
Ny fahita eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Alloteropsis
[hanova | hanova ny fango]Ny Alloteropsis dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae. Ireto ny karazana hita eto Madagasikara:
- Tsangambary (Alloteropsis paniculata (sv))
- Ahitomendry, ahitrakanga, tongolonakanga (Alloteropsis semialata (en))
Aristida
[hanova | hanova ny fango]Ny Aristida dia vondron-karazan-javamaniry ahitra saika hita amin' ny faritra rehetra eto ambonin' ny tany, ao amin' ny fianakaviana Poaceae, zana-pianakaviana Arundinoideae. Ireto ny karazana hita eto Madagasikara:
- Ny kifafalahy na sekotovo (Aristida adscensionis (en))
- Ny ahitsorohitra, herombavy, kifafavavy, na setokovolo (Aristida similis (sv))
Imperata
[hanova | hanova ny fango]Ny Imperata dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae, hita indrindra any amin' ny faritra mafana sy mafana antonony amin' izao tontolo izao. Ity ny karazana hita eto Madagasikara:
Loudetia
[hanova | hanova ny fango]Ny Loudetia dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Poaceae, maniry indrindra aty Afrika, ao Arabia ary any Amerika Latina. Ireto ny karazana hita eto Madagasikara:
- Korovola (Loudetia filifolia (sv))
- Menarirana (Loudetia madagascariensis (fr))
- Berambo, hara, harabo, haravola, haravolavavy, kilailay, raboka (Loudetia simplex subsp. stipoides)
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Horompetaka (Evolvulus alsinoides)
- Horondrano (Rhytachne caespitosa)
- Horondahy (Trachypogon spicatus)
- Horompotsy (Pennisetum pseudotriticoides, Pennisetum spicatum, Sporobolus africanus, Sporobolus pyramidalis)
- Ihorombe