Bozaka
Fiseho

Ny bozaka, amin' ny hevitra malalak' io teny io, dia izay zavamaniry velona isan-taona na maharitra, tsy hazo, anisan' ny Angiospermae (tokan-dravin-tsimoka na roa ravin-tsimoka), amin' ny ankapobeny ny miloko maitso.
Amin' ny heviny somary tery kokoa, ny bozaka, na raha ny marimarina kokoa, ny Poaceae, dia matetika manondro zavamaniry, indrindra fa ny ahitra fanao sakafom-biby, izay hita indrindra eny amin' ny kijana, ary ny fianakavian-javamaniry mifanakaiky rafitr' endrika aminy, toy ny Cyperaceae (herana sy harefo).
Amin' ny teny malagasy, amin' ny hevitra hentitr' io teny io dia ireto karazana ahitra manaraka ireto no tondroina manokana amin' io anarana hoe "bozaka" io[1]:
- Arundinella nepalensis -- bozaka, fantaka, kitsangy;
- Andropogon eucomus -- bozaka;
- Aristida adscensionis -- bozaka, kifafalahy, sekotovolo;
- Imperata arundinacea na Lagurus cylindricus -- bozaka, horona.